Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 33:17 - Baiboly Katolika

I Jakôba kosa nankao Sokôta, dia nanao trano ho azy sy nanao trano tomboka ho an’ny biby fiompiny koa. Izany no nanaovana ny anaran’io tany io hoe Sokôta.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nifindra nankany Sokota i Jakoba ka nanorina trano ho an’ny tenany ary trano rantsan-kazo maromaro ho an’ny omby aman’ondriny. Izany no niantsoana ny anaran’io toerana io hoe Sokota.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa i Jakôba kosa nivily ho any Sokôta, dia nanao trano ho azy sy tranotomboka ho an’ny andiam-biby fiompiny. Izany no niantsoana io toerana io hoe Sokôta, izany hoe Tranotomboka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa i Jakôba kosa nivily ho any Sokôta, dia nanao trano ho azy sy tranotomboka ho an’ny andiam-biby fiompiny. Izany no niantsoana io toerana io hoe Sokôta, izany hoe Tranotomboka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Jakoba nifindra nankany Sokota ka nanao trano ho azy ary nanao trano rantsan-kazo maromaro ho an’ny omby aman-ondriny; izany no nanaovana ny anaran’io tany io hoe Sokota.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Jakoba nifindra nankany Sokota ka nanao trano ho azy ary nanao trano rantsan-kazo maromaro ho an'ny omby aman'ondriny; izany no nanaovana ny anaran'io tany io hoe Sokota.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nifindra nankany Sokota i Jakoba ka nanorina trano ho an’ny tenany ary trano rantsan-kazo maromaro ho an’ny omby aman’ondriny. Izany no niantsoana ny anaran’io toerana io hoe Sokota.

Jereo ny toko



Genesisy 33:17
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia niverina nankany Seira androtr’iny ihany i Esao.


Tao amin’ny tany lemak’i Jordany, amin’ny tany be tany manga anelanelan’i Sokôta sy i Sartàna no nasain’ny mpanjaka nanaovana anidina azy.


Kanefa nomenao faneva ireo matahotra Anao, hitsanganan’io noho ny fahamarinanao. - - Selà


«Niala tao Ramsesa ny zanak’i Israely dia nankany Sokôta; sahabo ho enina hetsy izy no olona mandeha an-tongotra afa-tsy ny ankizy.


Niala tao Sokôta izy ireo dia nitoby tao Etama, an-tsisin’ny efitra.


ary eo amin’ny lohasaha, Bety-Harama, Bety-Nemrà, Sokôta sy Safôna, sisa tamin’ny fanjakan’i Sehôna mpanjakan’i Hesebona; ary Jordany sy ny tany momba azy, hatramin’ny tendron’ny ranomasina Kenerata an-dafin’i Jordany any atsinanana.


Nisambotra zazalahy anankiray amin’ny mponina ao Sokôta izy, nanontaniany, ka nosoratan’io ny anaran’ny lehibe sy ny loholona fitopolo lahy, ao Sokôta.


Dia nosamboriny ny loholona tao an-tanàna, ary rehefa nandray tsilo any an’efitra sy roy izy dia namaizany ny mponina tao Sokôta izany.


Ary hoy izy tamin’ny mponina ao Sokôta. «Raha sitrakareo mba omeo mofo ny vahoaka miaraka amiko fa reraka izy ireo, ary izaho nanenjika an’i Zebea sy i Salmanà, mpanjakan’i Madiàna».


Avy eo izy dia niakatra nankany Fanoela ary niteny tamin’ny olona toraka ny teo; fa novalian’ny olona tao Fanoela izy toraky ny navalin’ny olona tany Sokôta ihany koa.