Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: «Ny vadinao Saray tsy hataonao Saray intsony ny anarany fa Sarà no anarany.
Genesisy 32:28 - Baiboly Katolika ka hoy izy: «Tsy hatao hoe Jakôba intsony ny anaranao; fa hatao hoe Israely; satria efa niady tamin’Andriamanitra sy tamin’olombelona ianao ka nahery.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Jakoba. DIEM PROTESTANTA Dia nanontany izy hoe: –Iza moa no anaranao? Ka hoy ny navaliny azy: –Jakôba. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nanontany izy hoe: –Iza moa no anaranao? Ka hoy ny navaliny azy: –Jakôba. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba. Malagasy Bible Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba. La Bible en Malgache Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Jakoba. |
Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: «Ny vadinao Saray tsy hataonao Saray intsony ny anarany fa Sarà no anarany.
ary ny anaranao dia tsy hatao hoe Abrama intsony, fa hatao hoe Abrahama, satria hataoko rain’ny firenena tsy hita isa ianao.
Fa Andriamanitra kosa tonga tamin’i Labàna Arameanina, tamin’ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: «Tandremo, fa aza manisy teny soa na ratsy amin’i Jakôba.»
Dia i Jakôba irery sisa nijanona teo, ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy, mandra-pahazava-ratsin’ny andro.
Dia nihazakazaka nitsena azy i Esao ka namihina azy nisakambina ny vozony, nanoroka azy; ary samy nitomany izy ireo.
Hoy Andriamanitra taminy: «Jakôba no anaranao, nefa tsy hatao Jakôba intsony ianao, fa Israely no ho anaranao.» Dia nataony hoe Israely no anarany.
ka naniraka hilaza izany tamin’ny alalan’i Natàna, mpaminany, izay nanome anarana azy hoe i Jedidiah, noho ny amin’i Iaveh.
Naka vato 12 i Elia, araka ny isan’ny fokon’ny zanak’i Jakôba, ilay niharan’ny tenin’i Iaveh hoe: «I Israely no ho anaranao.»
Mandrak’androany, dia mbola manaraka ny fomba taloha ihany izy ireo: tsy dia matahotra an’i Iaveh izy, ary tsy dia manaraka ny lalàna amam-pitsipiny, na ny lalàna aman-didy nomen’i Iaveh ny zanak’i Jakôba, izay nantsoiny hoe Israely.
Ary ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh, dia ilay nahary anao, ry Jakôba, sy namorona anao, ry Israely: «Aza matahotra fa Izaho efa nanavotra anao, Izaho efa niantso anao amin’ny anaranao, ka Ahy ianao!
ary ny anaranareo dia havelanareo hatao fiozonana eo amin’ireo voafidiko; ary ianao hovonoin’i Iaveh Tompo; fa ireo mpanompony kosa hantsoiny amin’ny anarana hafa.
Ireo no anaran’ny lehilahy nirahin’i Môizy hisafo ny tany. I Ozea, zanak’i Nona dia nomen’i Môizy anarana hoe Jôsoe.
Dia nentiny nankany amin’i Jesoa izy, ka nony nijery azy i Jesoa dia nanao hoe: «Ianao no Simôna zanak’i Joany; hatao hoe Sefasy ianao, izany hoe, Piera vato»
Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy. Izay mandresy dia homeko mana miafina, sady homeko vato fotsy misy anaram-baovao voasoratra tsy misy mahalala afa-tsy izay mandray azy ihany.
Dia hoy i Saola tamin’i Davida: «Hambinina anie ianao, ry Davida zanako. Marina fa ho vanona tsara ny raharaha iandraiketanao». Dia nanohy ny diany i Davida; ary i Saola nody any aminy.