Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Genesisy 31:24 - Baiboly Katolika

24 Fa Andriamanitra kosa tonga tamin’i Labàna Arameanina, tamin’ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: «Tandremo, fa aza manisy teny soa na ratsy amin’i Jakôba.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Fa Andriamanitra nankao amin’i Labana arameana tamin’ny nofy nony alina ka niteny taminy hoe: Tandremo mba tsy hiteny na inona na inona amin’i Jakoba ianao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

24 Tonga tany amin’i Labàna aramianina tamin’ny nofy anefa Andriamanitra nony alina ka nilaza taminy hoe: –Mampitandrina anao Aho mba tsy hanao na inona na inona amin’i Jakôba!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Tonga tany amin’i Labàna aramianina tamin’ny nofy anefa Andriamanitra nony alina ka nilaza taminy hoe: –Mampitandrina anao Aho mba tsy hanao na inona na inona amin’i Jakôba!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Fa Andriamanitra nankeo amin’i Labana Syriana tamin’ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 Fa Andriamanitra nankeo amin'i Labana Syriana tamin'ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 31:24
28 Rohy Ifampitohizana  

Tonga tamin’i Abimeleka tamin’ny nofy anefa Andriamanitra nony alina, ka nanao taminy hoe: «Indro ho faty ianao, noho ny amin’ny vehivavy nalainao, fa vadin’olona izy.»


Dia hoy Andriamanitra taminy tamin’ny nofy: «Izaho koa mahalala fa fo mahitsy no nanaovanao izany; izay no niarovako anao tsy hanota amiko. Ka tsy navelako hikasika azy ianao.


Dia namaly i Labàna sy i Batoela ka nanao hoe: «Avy amin’i Iaveh izao zavatra izao ka tsy azonay atao ny milaza aminao hoe tsy mety na mety.


Dia nalefan’i Isaaka i Jakôba, ka nandeha nankany Padan-Arama, amin’ny Labàna, zanak’i Batoela, Arameanina, anadahin-dRebekà, renin’i Jakôba sy i Esao.


Tamin’ny fotoana itadiavan’ny ondry hikambana, dia nanopy maso aho ka nahita tamin’ny nofy, fa sadika sy mara, ary sada avokoa ny lahy nikambana tamin’ny ondry vavy.


Nisy Anjelin’Andriamanitra nilaza tamiko, tamin’ny nofy hoe: ‹Ry Jakôba!› Ka novaliako hoe: ‹Inty aho.› Dia hoy izy:


Ka nitondra ny rahalahiny homba azy izy, dia nanenjika azy lalan-kafitoana, ary nahatratra azy tao an-tendrombohitra Galaada.


Dia tratran’i Labàna i Jakôba. Ka i Jakôba moa efa niorin-day teo an- tendrombohitra, i Labàna koa nanorina ny azy mbamin’ny rahalahiny teo an-tendrombohitra Galaada.


Manan-kery hanisy ratsy anareo ny tanako, saingy niteny tamiko ny Andriamanitry ny rainareo halina, nanao hoe: ‹Tandremo, fa aza manisy teny soa na ratsy amin’i Jakôba.›


Raha tsy ny Andriamanitry ny raiko, dia ny Andriamanitr’i Abrahama sy Ilay atahoran’i Isaaka, no nomba ahy, tsy maintsy ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran’ny tanako Andriamanitra, ka nitsara antsika izy halina.»


sy ny namitahan-drainareo ahy, fa efa navadiny impolo izao ny karamako; nefa tsy navelan’Andriamanitra hahafaty antoka ahy izy.


Samy nanonofy izy roalahy indray alina, dia ilay mpandroso divay sy ilay mpitantana mofon’ny mpanjakan’i Ejipta notanana tao an-tranomaizina; ka samy nanana ny nofiny, sy samy hafa ny hevitry ny nofiny.


Nony afaka roa taona nipaka dia nanonofy i Faraôna: Indro nitsangana teo amoron’ny ony izy;


I Absalôma kosa tsy niteny tamin’i Amnôna intsony na soa na ratsy na dia indraimbava aza, fa halan’i Absalôma i Amnôna noho ny nametavetany an’i Tamara anabaviny.


Ary i Iaveh niseho tamin’i Salômôna tamin’ny nofy, nony alina, tany Gabaôna, ka hoy Andriamanitra taminy: «Angataho izay tianao homeko anao.»


Amin’izay ny nofony dia mandina noho ny an’ny tanora kely, fa miverina amin’ny andron’ny fahatanorany izy.


Noho ianao misafoaka amiko, sy noho ny fireharehanao efa tafakatra mby ao an-tsofiko, izaho kosa hametraka ny masom-biko amin’ny oronao sy ny lamboridiko eo amin’ny vavanao, ka hamerina anao amin’ny lalana niavianao».


Raha zava-poana i Galaada, dia ho tsinontsinona koa izy ireo; nanao sorona omby tany Galgalà izy; noho izany ny ôteliny ho toy ny antontam-bato eny amin’ny saha voasoritsoritra.


ary hoy izy hoe: «Henoy tsara izao teniko izao: Raha misy mpaminanin’i Iaveh eo aminareo, dia fahitana no hisehoako aminy, ary nofy no hitenenako aminy.


Nony alina dia tonga tamin’i Balaama Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Raha tonga hiantso anao ireo olona ireo, dia mitsangàna, ka mandehana miaraka aminy, nefa izay holazaiko aminao ihany no hataonao.»


Nandroso lavidavitra kokoa ny Anjelin’i Iaveh nijanona tamin’ny toerana ety anankiray, izay tsy misy idifiana akory, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia.


Na dia homen’i Balàka volafotsy sy volamena eran’ny tranony aza aho, dia tsy hahazo mandika ny tenin’i Iaveh, ka hanao na inona na inona, na soa na ratsy amin’ny nahim-poko, fa izay holazain’i Iaveh ihany no holazaiko.


Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: «Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina,


Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’i Herôda, dia lalan-kafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany.


Ary raha nipetraka teo amin’ny fitsarana izy, dia nampaniraka taminy ny vadiny hilaza hoe: «Aza manao na inona na inona amin’io Lehilahy marina io ianao, fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako Azy halina izay.»


Ary hiteny eo anoloan’i Iaveh Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Ny raiko dia Arameanina efa saiky maty; nidina nankany Ejipta izy, nomban’olom-bitsy dia zary mpivahiny tany; tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra