Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 30:8 - Baiboly Katolika

ka hoy i Rasela: «Nifaninana tamin’ny rahavaviko teo amin’Andriamanitra aho ary nahery.» Dia nataony hoe: Neftalì ny anarany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy Rahely: Fitolomana faran’izay mafy no nitolomako tamin’ny rahavaviko ka nahery aho. Dia nataony hoe Naftaly ny anarany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

dia hoy i Rahely hoe: –Efa niady mafy tamin’ny rahavaviko aho, ka nandresy! Dia nataony hoe Naftalỳ ny anarany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

dia hoy i Rahely hoe: –Efa niady mafy tamin’ny rahavaviko aho, ka nandresy! Dia nataony hoe Naftalỳ ny anarany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Rahely: Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin’ny rahavaviko, ka nahery aho; dia nataony hoe Naftaly ny anarany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Rahely: Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin'ny rahavaviko, ka nahery aho; dia nataony hoe Naftaly ny anarany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy Rahely: Fitolomana faran’izay mafy no nitolomako tamin’ny rahavaviko ka nahery aho. Dia nataony hoe Naftaly ny anarany.

Jereo ny toko



Genesisy 30:8
12 Rohy Ifampitohizana  

«Henoy izahay, Tompokolahy; andrian’Andriamanitra no eto aminay ianao, ka aleveno amin’izay fasana tsara indrindra eto aminay ny fatin’ny vadinao, fa tsy hisy aminay hiaro ny fasany aminao, tsy hametrahana ny fatin’ny vadinao.»


Ary nanana anaka indray i Balà, ankizy vavin-dRasela, dia nitera-dahy fanindroany tamin’i Jakôba,


Rahefa hitan’i Lià fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy i Zelfa ankizy vaviny ka nomeny ho vadin’i Jakôba.


Zanak’i Balà, ankizivavin-dRasela: Dana sy Neftalì.


Zanak’i Neftalì: i Jasiela, i Gony, i Jesera ary i Salema.


I Neftalì dia serfa vavy mikarenjy; mamoaka teny mahafinaritra izy.


Mangataha re amin’i Iaveh mba hitsahatra ny kotrok’orana sy ny havandra, fa havelako handeha ianareo; tsy hisy hitana anareo intsony tokoa.»


Manaraka izany dia ny fokon’i Neftalì. Ny filohan’ny taranak’i Neftalì dia i Ahira zanak’i Enàna,


ka nony niala tany Nazareta dia tonga tao Kafarnaoma, tanàna amoron-dranomasina ao amin’ny sisin-tanin’i Zabolôna sy i Neftalì ka nonina tao,


Ny amin’i Neftalì dia hoy izy: «Vokin’ny tombon-tsoa ianao, ry Neftalì, ary feno ny fitiavan’i Iaveh; ka raiso ho fanananao ny ranomasina sy ny any atsimo».


Niely tao an-toby ny fahatahorana mafy, tany an-tany lemaka ary tamin’ny vahoaka rehetra; raiki-tahotra koa ny antoko-miaramila mbamin’ny tafi-pandringanana; nihorohoro ny tany. Fahatsiravina avy amin’Andriamanitra izany.