Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 30:8 - DIEM PROTESTANTA

8 dia hoy i Rahely hoe: –Efa niady mafy tamin’ny rahavaviko aho, ka nandresy! Dia nataony hoe Naftalỳ ny anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Ary hoy Rahely: Fitolomana faran’izay mafy no nitolomako tamin’ny rahavaviko ka nahery aho. Dia nataony hoe Naftaly ny anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 dia hoy i Rahely hoe: –Efa niady mafy tamin’ny rahavaviko aho, ka nandresy! Dia nataony hoe Naftalỳ ny anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 ka hoy i Rasela: «Nifaninana tamin’ny rahavaviko teo amin’Andriamanitra aho ary nahery.» Dia nataony hoe: Neftalì ny anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary hoy Rahely: Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin’ny rahavaviko, ka nahery aho; dia nataony hoe Naftaly ny anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary hoy Rahely: Fitolomana mafy dia mafy no nitolomako tamin'ny rahavaviko, ka nahery aho; dia nataony hoe Naftaly ny anarany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Ary hoy Rahely: Fitolomana faran’izay mafy no nitolomako tamin’ny rahavaviko ka nahery aho. Dia nataony hoe Naftaly ny anarany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 30:8
12 Rohy Ifampitohizana  

–Tompokolahy ô, mba mihainoa anay: filoha notahin’Andriamanitra ianao teto anivonay, koa aleveno ao amin’izay fasana tsara indrindra eto aminay ny vadinao. Tsy hisy aminay hisakana ny fasany tsy handevenana ny razana.


Mbola bevohòka indray i Bilehà ka niteraka zazalahy faharoa tamin’i Jakôba,


Ary nony hitan’i Leà fa nitsaha-jaza izy, dia nalainy i Zilpà mpanompovaviny ka nomeny hovadîn’i Jakôba.


I Dana sy Naftalỳ no zanany tamin’i Bilehà mpanompovavin’i Rahely.


I Naftalỳ sy ireo zanany lahy, dia i Jahatsiela sy i Gonỳ ary i Jetsera sy i Silema.


I Naftalỳ dia toy ny osivavy mikarenjy izay manan-janaka tsara tarehy.


Mangataha amin’ny TOMPO mba hitsahatra ny kotro-baratra sy ny havandra, dia halefako ianareo fa tsy hotazoniko intsony.


Ary nilaozany i Nazareta ka lasa Izy niorim-ponenana tao Kafarnahòma, tanàna amoron’ny farihin’i Galilea, anatin’ny faritanin’i Zebolòna sy i Naftalỳ.


Ny amin’ny taranak’i Naftalỳ, dia hoy i Mosesy hoe: «Ry fokon’i Naftalỳ, tototra tombontsoa ianao sady heniky ny fitahian’ny TOMPO. Aoka hitatra miankandrefana sy mianatsimo ny faritany anananao!»


Nihorohoro ny Filistinina tafajanona tao an-toby sy ny mponina rehetra teny manodidina; tera-kovitra ihany koa mbamin’ny miaramila lohalalana sy ny mpanao vy very ny ainy. Nihovitrovitra ny tany; ka dia nisy fangitakitahana lehibe dia lehibe.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra