Ho tonga fanasoavana ianao; ny manasoa anao hohasoaviko, ny manozona anao hozoniko, ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.»
Genesisy 30:27 - Baiboly Katolika Fa hoy i Labàna taminy: «Raha mba nahita fitia teo imasonao ihany aho re, dia hitako fa ianao no nanambinan’i Iaveh ahy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Labana taminy: Miangavy anao re, aoka mba hahita fitia eo imasonao aho. Nitady famantarana aho ka fantatro fa avy taminao no nitahian’NY TOMPO ahy. DIEM PROTESTANTA Namaly azy i Labàna hoe: –Miangavy aho raha mba mahita famindrampo aminao ihany. Fantatro fa noho ny aminao no nitahian’ny TOMPO ahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Namaly azy i Labàna hoe: –Miangavy aho raha mba mahita famindrampo aminao ihany. Fantatro fa noho ny aminao no nitahian’ny TOMPO ahy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Labana taminy: Masìna hianao, raha nahita fitia eo imasonao aho, mitoera eto amiko; efa namantatra aho, ka fantatro fa avy taminao no nitahian’i Jehovah ahy. Malagasy Bible Ary hoy Labana taminy: Masìna ianao, raha nahita fitia eo imasonao aho, mitoera eto amiko, efa namantatra aho, ka fantatro fa avy taminao no nitahian'i Jehovah ahy. La Bible en Malgache Dia hoy i Labana taminy: Miangavy anao re, aoka mba hahita fitia eo imasonao aho. Nitady famantarana aho ka fantatro fa avy taminao no nitahian’NY TOMPO ahy. |
Ho tonga fanasoavana ianao; ny manasoa anao hohasoaviko, ny manozona anao hozoniko, ary aminao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.»
dia nanao hoe: «Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho, aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao,
Ary niseho taminy i Iaveh ny alin’izay ka nanao hoe: «Izaho no Andriamanitr’i Abrahama, rainao, aza matahotra fa momba anao aho; ka hanisy soa anao ka hahamaro ny taranakao, noho ny amin’i Abrahama mpanompoko.»
Fa kely ny fanananao talohan’ny nahatongavako: ary efa nitombo be dia be izy izao, ka nambinin’i Iaveh ianao, tamin’ny nalehako. Ary ankehitriny, rahoviana kosa no mba hihariako ho an’ny ankohonako?»
Dia hoy i Esao: «Avelao àry hamelako hiaraka aminao ahay ny sasany amin’ny olona miaraka amiko.» Fa hoy ny navaliny: «Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eo imason’ny tompoko aho.»
Hoy kosa i Sikema tamin’ny rain’i Dinà, sy ireo anadahiny: «Aoka mba hahita fitia eo imasonareo aho, fa homeko anareo izay tononinareo amiko,
Tsy iny kôpy iny va no fisotroan’ny tompoko, ka entiny maminany? Ratsy izany nataonareo izany.› »
Ka hoy ny olona: «Ianao no namonjy ny ainay. Hahita fitia eo imason’itompokolahy anie izahay ary ho mpanompon’i Faraôna izahay.»
Dia nipetraka tao an-tranon’i Obededôma any Geta telo volana ny Fiaran’i Iaveh, ka nambinin’i Iaveh i Obededôma sy ny ankohonany rehetra.
Nahita fitia teo imason’i Faraôna tokoa i Adada, fa nomeny ho vadiny aza ny rahavavin’ny vadiny, dia ny rahavavin’i Tafnesa mpanjakavavy.
Endrey, ry Tompo, aoka hanongilan-tsofina amin’ny vavak’ity mpanomponao Ianao, sy amin’ny vavak’ireo mpanomponao izay mankasitraka tokoa ny matahotra ny Anaranao! Ho sitrakao anie ny hanambina ny mpanomponao anio, sy hampahita fitia azy eo imason’io lehilahy io.» Mpandroso divain’ny mpanjaka aho fahizay.
Nivavaka tamin’ny Andriamanitry ny lanitra aho, dia namaly ny mpanjaka hoe: «Raha sitraky ny mpanjaka ka mba nahita fitia eo imasony koa ity mpanompony dia alefao aho ho any Jodà, any amin’ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako azy indray.»
Tahaka ny hazo nambolena eo amoron’ny ranovelona izy, ka ny voany tonga amin’ny fotoany; ny raviny tsy mba malazo; ny ataony rehetra vanona avokoa.
«Hataoko mahita fitia eo imason’ny Ejiptianina ity vahoaka ity, hany ka tsy hitondra tanam-polo ianareo, rehefa handeha.
Ary na ny ampahafolon’ny mponina aza no sisa eo, dia mbola haripaka indray ihany koa ireo. Kanefa toy ny terebinta sy ny aoka, rehefa voakapa mbola manam-pototra; ny fototr’i Israely, dia ho tsimoka masina.»
Ny taranak’izy ireo, halaza eny amin’ny firenena; ary ny tanimanga any amin’ny firenen-tsamihafa. Izay hahita azy hahalala azy avokoa, fa taranaka nosoavin’i Iaveh izy ireo.
Izao no lazain’i Iaveh: Raha misy ranom-boaloboka eo amin’ny sampahony, dia hoy ny olona mahita azy: «Aza simbàna, fa misy fitahiana ao;» toy izany koa no hataoko, noho ny amin’ny mpanompoko, mba tsy handrava azy rehetra.
Dia nalahelo i Môizy ka nilaza tamin’i Iaveh hoe: «Nahoana no dia nasianao izao ratsy izao ny mpanomponao, ary nahoana no dia tsy nahita fitia taminao aho, ka novesaranao ny fitondrana ity vahoaka ity?
Koa raha izao no ataonao amiko mihanta aminao aho, raha mahita fitia eo imasonao, vonoy aho mba tsy hahita ny fahoriako.»
Fa noesoriny tamin’ny fahoriany rehetra izy, sady nomeny fahendrena, ka nankasitrahin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, mbamin’izay rehetra tao an-dapany.
Ary hoy izy: «Akory ity fitia hitako teo imasonao, tompoko! Fa nampionona ahy ianao, ary niteny tamin’ny fon’ny ankizy vavinao ianao, na dia tsy tahaka ny anankiray amin’ny ankizy vavinao akory aza aho».
Ary i Saola naniraka olona hilaza amin’i Isaï hoe: «Aoka i Davida mba hitoetra eto anatrehako, fa nahita fitia teo imasoko izy!»