Taorian’izany, tonga tamin’i Abrama tamin’ny fahitana ny tenin’i Iaveh nanao hoe: «Aza matahotra, ry Abrama, fa Izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao.»
Genesisy 28:12 - Baiboly Katolika Ary nanonofy izy, ka indro, nisy tohatra anankiray niorina tamin’ny tany tafapaka amin’ny lanitra ny lohany; ary nisy Anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nanonofy izy hoe: Indro, nisy tohatra nitsangana tamin’ny tany ka ny lohany dia nipaka tamin’ny lanitra; ary indreo, nisy anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina tamin’izany. DIEM PROTESTANTA Nanonofy izy ka indro nisy tohatra natsangana avy amin’ny tany ary nahatakatra ny lanitra ny tendrony; dia indreo nisy anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanonofy izy ka indro nisy tohatra natsangana avy amin’ny tany ary nahatakatra ny lanitra ny tendrony; dia indreo nisy anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin’ny tany, ka nipaka tamin’ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy. Malagasy Bible Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin'ny tany, ka nipaka tamin'ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy. La Bible en Malgache Ary nanonofy izy hoe: Indro, nisy tohatra nitsangana tamin’ny tany ka ny lohany dia nipaka tamin’ny lanitra; ary indreo, nisy anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina tamin’izany. |
Taorian’izany, tonga tamin’i Abrama tamin’ny fahitana ny tenin’i Iaveh nanao hoe: «Aza matahotra, ry Abrama, fa Izaho no ampinganao ary ho lehibe indrindra ny valisoanao.»
Raha ilay nilentika iny ny masoandro dia rendriky ny torimaso mafy i Abrama, ary indro notsindrian’ny tahotra mafy sy ny haizim-pito izy.
Tonga tamin’i Abimeleka tamin’ny nofy anefa Andriamanitra nony alina, ka nanao taminy hoe: «Indro ho faty ianao, noho ny amin’ny vehivavy nalainao, fa vadin’olona izy.»
Nony afaka roa taona nipaka dia nanonofy i Faraôna: Indro nitsangana teo amoron’ny ony izy;
Dia nandry izy, ka natory teo ambanin’ilay kofafambohitra. Fa indro nisy Anjely nanohitra azy kosa, nanao taminy hoe: «Miarena ianao, hihinana.»
Fa mitetitety ny tany rehetra ny mason’i Iaveh mba hanohanany an’izay miraiki-po aminy tokoa. Ka nanao toy ny adala ianao tamin’io raharaha io, fa amin’ny sisa dia hanana ady ianao.»
Aza matahotra ianao fa momba anao Aho; aza mijerijery amin’ahiahy, fa Izaho no Andriamanitrao; Nohazoniko mafy ianao, ka manampy anao Aho; ary manohana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako.
ary hoy izy hoe: «Henoy tsara izao teniko izao: Raha misy mpaminanin’i Iaveh eo aminareo, dia fahitana no hisehoako aminy, ary nofy no hitenenako aminy.
Nefa raha mbola nieritreritra izany izy, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho taminy, tamin’ny nofy, ka nanao hoe: «Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao, fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina,
Rehefa maty i Herôda, indro nisy Anjelin’ny Tompo niseho tamin’i Josefa tany Ejipta tamin’ny nofy
Dia hoy koa Izy: «Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra sy ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin’ny Zanak’olona ianareo.»
Fahiny, tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny mpaminany;
Moa tsy fanahy manompo va izy rehetra, nirahina hanao fanompoana ho an’izay handova ny famonjena?