Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 28:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Nanonofy izy ka indro nisy tohatra natsangana avy amin’ny tany ary nahatakatra ny lanitra ny tendrony; dia indreo nisy anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Ary nanonofy izy hoe: Indro, nisy tohatra nitsangana tamin’ny tany ka ny lohany dia nipaka tamin’ny lanitra; ary indreo, nisy anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina tamin’izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Nanonofy izy ka indro nisy tohatra natsangana avy amin’ny tany ary nahatakatra ny lanitra ny tendrony; dia indreo nisy anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Ary nanonofy izy, ka indro, nisy tohatra anankiray niorina tamin’ny tany tafapaka amin’ny lanitra ny lohany; ary nisy Anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin’ny tany, ka nipaka tamin’ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin'ny tany, ka nipaka tamin'ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Ary nanonofy izy hoe: Indro, nisy tohatra nitsangana tamin’ny tany ka ny lohany dia nipaka tamin’ny lanitra; ary indreo, nisy anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina tamin’izany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 28:12
24 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’ireo zavatra ireo, dia niseho tamin’i Abrama ny TOMPO ka niteny taminy hoe: –Aza matahotra ianao, ry Abrama, fa Izaho no mpiaro anao; ary ny valisoanao dia ho lehibe tokoa.


Nony efa hilentika ny masoandro, dia renoky ny torimaso lalina i Abrama, ka indro nisy haizina lehibe mampatahotra nanarona azy.


Niseho nofy tamin’i Abimelèka anefa Andriamanitra nony alina ka nanao taminy hoe: –Indro ho faty ianao noho ny amin’ny vehivavy izay nalainao, fa manam-bady izy io.


Ary nony afaka roa taona teo, dia nanonofy ny Farao: Nijoro teo amoron’i Neily hono izy,


Dia nandry izy ka natory teo ambanin’ilay hazo kely midoroboka. Ary indro nisy anjely nanohina azy ka nanao taminy hoe: –Mifohaza ka mihinàna.


Fa manopy maso ny tany tontolo ny TOMPO mba hanohana izay miraiki-po tanteraka aminy. Adala ianao tamin’io fihetsikao io, ka dia hisy ady hihatra aminao manomboka izao.


Aza matahotra ianao fa miaraka aminao Aho, aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao. Mampahery anao Aho ary mamonjy anao tokoa; ny tanan-kavanako manafaka no anohanako anao.


Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Belsatsara tao Babilôna dia nanonofy i Daniela ary nahazo fahitana teo am-pandriany. Nosoratany ny nofy ary notantarainy araka izao manaraka izao:


ka hoy ny TOMPO taminy: –Henoy tsara ny teniko: Raha misy mpaminany eo aminareo, dia amin’ny fahitana no isehoako aminy, ary amin’ny nofy no itenenako aminy.


Raha mbola nieritreritra izany izy, dia nisehoan’anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy ka nilazany hoe: –Ry Jôsefa taranak’i Davida ô, aza matahotra ny hampakatra an’i Maria vadinao! Noho ny asan’ny Fanahy Masina tokoa no nampitoe-jaza azy.


Rehefa maty kosa i Herôda, dia nisehoan’anjelin’ny Tompo tamin’ny nofy i Jôsefa raha tany Ejipta ka nilazany hoe:


Dia hoy koa i Jesoa tamin-dry i Natanaela: –Lazaiko marina dia marina aminareo fa ho hitanareo ny lanitra misokatra mbamin’ny anjelin’Andriamanitra miaka-midina eo ambonin’ny Zanak’olona!


Efa imbetsaka ary tamin’ny fomba samihafa no nitenenan’Andriamanitra fahiny tamin’ny razantsika tamin’ny alalan’ireo mpaminany;


Fa inona moa ny anjely? Fanahy manompo an’Andriamanitra izy rehetra, ka irahiny mba hanasoa ireo olona natao handray famonjena.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra