Ary nentin’i Tare i Abrama zanany mbamin’i Lôta zafiny, zanak’i Aràna, ary i Saray, vinantovaviny, vadin’i Abrama zanany; ary niara-nandeha izy ireo niala tany Ora any amin’ny Kaldeanina, mba ho any amin’ny tany Kanaana. Nony tonga tao Haràna anefa izy ireo dia nonina tao.
Nentiny i Saray vadiny, sy i Lôta zana-drahalahiny ary ny harena rehetra nananany, mbamin’ny mpanompo azony tany Haràna, dia niainga ho any amin’ny tany Kanaana izy ireo, ka tonga tany amin’ny tany Kanaana izy.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mandehana, miaingà avy eto, ianao sy ny vahoaka nentinao niakatra avy any amin’ny tany Ejipta, ho any amin’ny tany efa nampanantenaiko tamim-pianianana an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba nataoko hoe: Homeko ny taranakao io.
Raha zava-poana i Galaada, dia ho tsinontsinona koa izy ireo; nanao sorona omby tany Galgalà izy; noho izany ny ôteliny ho toy ny antontam-bato eny amin’ny saha voasoritsoritra.
Ka hoy ny navalin’i Etienina azy: «Mihainoa ianareo rahalahy sy ray. Raha mbola tany Mesôpôtamia i Abrahama razantsika, fa tsy mbola nitoetra tany Haràna, dia niseho taminy Andriamanitra be voninahitra,