Nampandohalihiny teo ivelan’ny tanàna anilan’ny lavaka fantsakana ny rameva, nony harivariva tamin’ilay fivoahan’ny vehivavy hantsaka iny;
Genesisy 24:13 - Baiboly Katolika Indro aho mijanona eto anilan’ny loharano; ary ny zanaka vavin’ny mponina ao an-tanàna hivoaka hantsaka rano, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indro, mijoro eto anilan’ny fantsakana aho ary ho avy hantsaka rano ny zanakavavin’ny mponina ao an-tanàna. DIEM PROTESTANTA Inty aho eto akaikin’ny fantsakana; ary ireo zatovovavy zanaky ny mponina ao an-tanàna dia hivoaka hantsaka rano eto. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Inty aho eto akaikin’ny fantsakana; ary ireo zatovovavy zanaky ny mponina ao an-tanàna dia hivoaka hantsaka rano eto. Baiboly Protestanta Malagasy Indro, mijanona eto anilan’ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin’ny mponina ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano; Malagasy Bible Indro, mijanona eto anilan'ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin'ny mponina ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano; La Bible en Malgache Indro, mijoro eto anilan’ny fantsakana aho ary ho avy hantsaka rano ny zanakavavin’ny mponina ao an-tanàna. |
Nampandohalihiny teo ivelan’ny tanàna anilan’ny lavaka fantsakana ny rameva, nony harivariva tamin’ilay fivoahan’ny vehivavy hantsaka iny;
ka aoka izay zazavavy hilazako hoe: ‹Ahilano kely ny sininao mba hisotroako› ka hamaly hoe: ‹Misotroa, fa hampisotroiko koa ny ramevanao,› no ho ilay notendrenao ho an’i Isaaka mpanomponao. Ary izany no hahafantarako fa nampisehoanao hatsaram-po tokoa ny tompoko.»
dia indro aho mijanona eto anilan’ny fantsakana; ka izay zazavavy tamy hantsaka hilazako hoe: Avelao aho mba hisotro rano kely amin’ny sininao, raha sitrakao, ka hamaly ahy hoe:
Nanan-janaka fito mirahavavy ny mpisorona tao Madiàna; ary tonga nanovo rano izy ireo, dia nameno ny tavy hampisotroany ny biby fiompin-drainy.
Dia inty nisy vehivavy Samaritanina anankiray tonga teo hantsaka rano, ka hoy i Jesoa taminy: «Mba omeo kely Aho hosotroiko»
Aoka ny mpandefa zana-tsipîka eo akaikin’ny rano fisotroam-biby, hankalaza amin’ny feony ny fahamarinan’i Iaveh, dia ny fahamarinana nataony tamin’ny taniny, ao amin’i Israely! Tamin’izay ny vahoakan’i Iaveh nidina ho eny am-bavahadiny.
Niakatra ny fiakarana mankao an-tanàna izy ireo, no nifanena tamin’ireto zazavavy nivoaka hantsaka rano, ka nanao tamin’ireo hoe: «Ao ihany va ny mpahita?»