Niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe: «Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray! Ary i Sarà, vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka!»
Genesisy 21:6 - Baiboly Katolika Ary hoy i Sarà: «Efa nomen’Andriamanitra ahy izay hampihomehy ahy, ka na iza na iza handre izany dia hihomehy noho ny amiko.» Hoy koa izy: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Saraha: Nampihomehezin’Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko. DIEM PROTESTANTA Dia nilaza i Sarà hoe: –Nanao izay nampihomehy ahy Andriamanitra, ary izay rehetra mandre ny momba an’i Itsehàka dia hihomehy miaraka amiko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nilaza i Sarà hoe: –Nanao izay nampihomehy ahy Andriamanitra, ary izay rehetra mandre ny momba an’i Itsehàka dia hihomehy miaraka amiko. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin’Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko. Malagasy Bible Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin'Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko. La Bible en Malgache Dia hoy i Saraha: Nampihomehezin’Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko. |
Niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy nanao anakampo hoe: «Lehilahy efa zato taona va ka dia mbola hiteraka indray! Ary i Sarà, vehivavy efa sivy folo taona ve ka dia hiteraka!»
Manome fonenana ny momba ao an-trano Izy, manao azy ho reny mifaly eo afovoan’ny zanany. Aleloia!
Tamin’izany ny vavantsika nanao hobin-kafaliana, ny lelantsika nanao hira firavoravoana. Fahizay izao no ambentinteny amin’ny firenena: «Nanao zava-dehibe ho azy ireo i Iaveh.»
Hanadino ny taizany va ny vehivavy, ka tsy hamindra fo amin’ny naloaky ny kibony? Na hanadino aza ny reny, Izaho tsy mba hanadino anao!
Ary ianao kosa hanao anakampo hoe: «Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa tsy nanan-janaka aho, momba aho, noroahina sy nisaorana aho; ary ireto kosa, iza no nitaiza azy? Indro Aho nitoetra irery; ka taiza ireto?»
Mihobia an-kafaliana, ry momba, izay tsy niteraka; mampisehoa hafaliana sy firavoravoana lehibe, ry tsy nihetsi-jaza; fa ny zanak’ilay nariana no maro, noho ny zanak’izay manam-bady, hoy i Iaveh.
Ho voaozona anie ny olona nitondra teny tamin’ikaky, sy nanao hoe: Tera-dahy ianao! ka nahafeno hafaliana azy!
Ary nahare ny mpiara-monina aminy sy ny havany fa efa nankalazain’ny Tompo ny famindram-pony taminy, ka dia niara-nifaly taminy.
Ny finoana koa no nahazoan’i Sarà hery hanana anaka, na dia efa antitra tsy tokony hiteraka intsony aza izy, satria nino izy fa mahatoky Ilay nampanantena.
Ka hoy i Anà: Aza mahafady, tompoko. Raha velona koa ny aiko, tompoko, dia izaho ilay vehivavy nitoetra teto akaikinao nivavaka tamin’i Iaveh.