Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 21:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Dia nilaza i Sarà hoe: –Nanao izay nampihomehy ahy Andriamanitra, ary izay rehetra mandre ny momba an’i Itsehàka dia hihomehy miaraka amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Dia hoy i Saraha: Nampihomehezin’Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Dia nilaza i Sarà hoe: –Nanao izay nampihomehy ahy Andriamanitra, ary izay rehetra mandre ny momba an’i Itsehàka dia hihomehy miaraka amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Ary hoy i Sarà: «Efa nomen’Andriamanitra ahy izay hampihomehy ahy, ka na iza na iza handre izany dia hihomehy noho ny amiko.» Hoy koa izy:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin’Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary hoy Saraha: Efa nampihomehezin'Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Dia hoy i Saraha: Nampihomehezin’Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 21:6
17 Rohy Ifampitohizana  

Dia niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy, satria hoy izy anakampo hoe: «Moa mbola hisy zaza teraka avy amin’ny lehilahy zato taona ve? Ary i Sarà efa sivifolo taona ve dia mbola hiteraka?»


mahatonga ny momba ho heni-kafaliana Izy satria manome azy trano honenana sy zaza maro.


Tonga feno hehy isika sady feno fihobiana. Tamin’izany ireo hafa firenena dia loa-bolana hoe: «Zava-dehibe no nataon’ny TOMPO taminy!»


Fa ny TOMPO kosa mamaly hoe: Moa manadino ny zanany minono ve ny vehivavy na tsy tia ny zaza naloaky ny kibony intsony? Na dia mety manadino aza izy, Izaho kosa tsy mba hanadino anao.


Ianao kosa, ry Tsiôna, dia hanontany tena hoe: «Iza no nanome ahy ireto zanaka ireto? Maty anaka aho teo ary tsy mba nanantena ny hanan-janaka intsony, sady natao sesitany sy ankilabao. Koa iza no nahalehibe an’ireto? Indro aho navela hanirery, fa mba avy taiza kosa ireto?»


Miravoravoa ianao, ry Jerosalema izay momba tsy niteraka; ianao izay tsy nihetsi-jaza akory, manaova horakora-pifaliana ka mihobia satria hoy ny TOMPO aminao: «Ry ilay mpitondratena, maro ny zanakao noho ny zanaky ny manam-bady.»


Ho voaozona anie ny olona izay nameno hafaliana ny raiko tamin’ny nitenenany hoe: «Tera-dahy ianao!»


Ho faly sy ravo ianao ary ny besinimaro koa ho faly amin’ny hahaterahany!


Ny mpiara-monina sy ny lafin-kavana dia samy nahare fa nanehoan’ny Tompo hatsaram-po lehibe i Elizabeta ka niara-paly taminy.


Miaraha mifaly amin’izay mifaly, miaraha mitomany amin’izay mitomany.


Finoana no nahazoan’i Abrahama hery hanana anaka, na dia efa antidahibe aza izy ary na dia vehivavy momba aza i Sarà vadiny; satria azon’i Abrahama antoka fa mahatoky Andriamanitra nanao ny fampanantenana.


Dia hoy i Hanà tamin’i Helỳ: –Azafady tompoko, tsaroanao ve ilay vehivavy nitsangana teto indray andro tsy lavitra anao akory, ary nivavaka tamin’ny TOMPO? Raha marina fa velona koa ny ainao, dia izaho izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra