Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 21:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Ary hoy koa izy hoe: –Iza moa no afaka hilaza amin’i Abrahama fa hampinono zaza i Sarà? Kanjo niteraka zazalahy ho azy tamin’ny fahanterany aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Hoy koa izy: Iza moa no nanampo hilaza amin’i Abrahama fa hampinono zaza i Saraha? Kanjo niteraka zazalahy taminy ihany aho na dia efa antitra aza izy!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ary hoy koa izy hoe: –Iza moa no afaka hilaza amin’i Abrahama fa hampinono zaza i Sarà? Kanjo niteraka zazalahy ho azy tamin’ny fahanterany aho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 «Iza moa no nanan-kevitra ny hilaza amin’i Abrahama hoe: Hampinono zaza i Sarà? Kanjo antitra izy ity vao tera-dahy taminy aho.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary hoy koa izy: Nampoizin’iza akory moa no hilaza amin’i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary hoy koa izy: Nampoizin'iza akory moa no hilaza amin'i Abrahama fa hampinono zaza Saraha? kanjo efa niteraka zazalahy taminy aho, rehefa antitra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Hoy koa izy: Iza moa no nanampo hilaza amin’i Abrahama fa hampinono zaza i Saraha? Kanjo niteraka zazalahy taminy ihany aho na dia efa antitra aza izy!

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 21:7
15 Rohy Ifampitohizana  

Dia niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy, satria hoy izy anakampo hoe: «Moa mbola hisy zaza teraka avy amin’ny lehilahy zato taona ve? Ary i Sarà efa sivifolo taona ve dia mbola hiteraka?»


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Abrahama: –Nahoana moa no mihomehy i Sarà? Nahoana izy no manao anakampo hoe: «Marina ve fa hiteraka tokoa ity izaho efa antitra ity?»


Rehefa lehibe ny zaza, dia nosarahi-nono. Koa nanao fanasana lehibe i Abrahama noho izany.


Ary nitera-dahy tamin’i Hadada ny rahavavin’i Tahapenesa, dia i Genôbata izay notezain’i Tahapanesa sady niara-nipetraka tamin’ny zanakalahin’ny Farao tao an-dapa.


Rehefa nifoha hampinono ny zanako aho anikeheo maraina, dia indro fa maty izy. Kanjo rehefa nofantariko nony nazava ny andro, dia hitako fa hay tsy ny zanako naterako akory io.


fa lehibe Ianao sy manao zava-mahagaga; Ianao ihany no tena Andriamanitra.


Tompo ô, tsy misy tahaka Anao amin’ireo andriamanitra; tsy misy mahavita ny vitanao.


Ianao kosa, ry Tsiôna, dia hanontany tena hoe: «Iza no nanome ahy ireto zanaka ireto? Maty anaka aho teo ary tsy mba nanantena ny hanan-janaka intsony, sady natao sesitany sy ankilabao. Koa iza no nahalehibe an’ireto? Indro aho navela hanirery, fa mba avy taiza kosa ireto?»


Iza no efa nandre sy nahita zavatra toy izany? Tany anankiray ve hateraka indray andro monja? ary firenena iray ve ho azo atao indray miteraka? Kanefa izany no niseho tamin’i Tsiôna: vao nihetsi-jaza izy, dia teraka ireo zanany.


Ho voaozona anie ny olona izay nameno hafaliana ny raiko tamin’ny nitenenany hoe: «Tera-dahy ianao!»


Tsy mba misy fanaovan-tsikidy eo amin’ny taranak’i Jakôba; tsy mba misy fankatovana eo amin’ny vahoaka israelita. Fa amin’izay fotoana sahaza no hampahafantarana azy ny zavatra ataon’Andriamanitra.


fa ankehitriny kosa naseho tamin’ny alalan’ny Fiangonana izany, ka tonga fantatr’ireo fanapahana sy ny fahefana eny ana habakabaka ny fahendren’Andriamanitra, dia fahendrena mahefa zavatra tsy tambo isaina.


amin’ilay andro hahatongavan’ny Tompo mba homen’ny vahoakany voninahitra sady higagan’izay rehetra mino Azy. Ho isan’ireto hanome voninahitra ny Tompo ireto koa ianareo, satria nino ny fijoroanay ho vavolombelona nanambara Azy taminareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra