ary ny Hôreanina teo an-tendrombohitra Seira fonenany, hatrany El- Faràna, izay ao akaikin’ny efitra.
Genesisy 21:21 - Baiboly Katolika Nonina tany amin’ny efitra Faràna izy; ary nangalan-dreniny vady avy amin’ny tany Ejipta. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nonina tany an-tany efitra Parana izy ka nakan’ny reniny vady avy tany amin’ny tany Ejipta. DIEM PROTESTANTA Nangalan-dreniny vady avy tany Ejipta izy ary nonina tao an-taniefitr’i Paràna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nangalan-dreniny vady avy tany Ejipta izy ary nonina tao an-taniefitr’i Paràna. Baiboly Protestanta Malagasy Ary nonina tany an-efitra Parana izy-ka nakan’ny reniny vady avy tany amin’ny; tany Egypta izy. Malagasy Bible Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan'ny reniny vady avy tany amin'ny tany Egypta izy. La Bible en Malgache Nonina tany an-tany efitra Parana izy ka nakan’ny reniny vady avy tany amin’ny tany Ejipta. |
ary ny Hôreanina teo an-tendrombohitra Seira fonenany, hatrany El- Faràna, izay ao akaikin’ny efitra.
Efa nonina folo taona tany amin’ny tany Kanaana i Abrama tamin’ny nakan’i Saray, vadin’i Abrama, an’i Agara ilay Ejiptianina mpanompovaviny, ka nanomezany azy an’i Abrama vadiny.
Ny taranany dia nonina hatrany Hevilà ka hatrany Sora, tandrifin’i Ejipta amin’ny lalana mankany Asiria. Nitatra tandrifin’ny rahalahiny rehetra izy.
Ary hoy i Rebekà tamin’i Isaaka: «Boboky ny miaina aho noho ny amin’ireny zanaka vavin’i Heta ireny, raha maka vady tahaka ireny i Jakôba, amin’ireny zanaka vavin’i Heta ireny, amin’ny zazavavy amin’ity tany ity, dia hampaninona ahy intsony izay aina?»
Nony niala tany Madiàna izy, dia nankany Faràna, ary naka olona avy tao Faràna hiaraka aminy izy ireo, dia tonga tany Ejipta ao amin’ny Faraôna mpanjakan’i Ejipta, ka nomen’izy io trano i Adada, namononany fivelomana, sady notolorany tany.
hanambady ka hiteraka zazalahy aman-jazavavy; haka vady ho an’ny zanaka lahinareo, sy hampanambady ny zanaka vavinareo, mba hiterahany zazalahy aman-jazavavy; ka hihamaro amin’ity tany ity ianareo, fa tsy hihavitsy.
Tamy avy any Temàna Andriamanitra, ary avy any an-tendrombohitra Faràna ilay Masina (Selà). Nanarona ny lanitra ny fiandrianany; ary nameno ny tany ny voninahiny.
Ka nanohy ny diany ny zanak’i Israely, dia niala tao amin’ny efitra Sinaia, ary tany amin’ny efitra Faràna no nijanona ny rahona.
Nony afaka izany, dia niainga niala tao Hazerôta ny vahoaka ka nitoby tao amin’ny efitra Faràna.
Tonga izy, dia nanatona an’i Môizy sy i Aarôna, mbamin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, tao Kadesy tany an’efitra Faràna. Nanao filazana taminy sy tamin’ny fiangonana rehetra izy ireo ary naneho ny vokatry ny tany taminy.
Dia nirahin’i Môizy avy ao amin’ny efitra Faràna, araka ny didin’i Iaveh, izy ireo; ary samy filohan’ny zanak’i Israely avokoa ireo lehilahy rehetra ireo.
Koa tsara ny ataon’izay mampanam-bady ny zanany vavy, fa tsaratsara kokoa indray no ataon’izay tsy mampanambady azy.
Nony tafakatra indray izy, dia nilaza tamin-drainy aman-dreniny hoe: «Nahita vehivavy anankiray tamin’ireo zanakavavin’ny Filistinina aho, tany Tamnà, ka ankehitriny mba alaovy ho vadiko izy.»
Ary maty i Samoela ka nivory i Israely rehetra dia nitomaniany izy sy naleviny tao amin’ny fonenany, any Ramà. Tamin’izany dia nitsangana i Davida ary nidina nankany an’efitr’i Faràna.