Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 25:18 - Baiboly Katolika

18 Ny taranany dia nonina hatrany Hevilà ka hatrany Sora, tandrifin’i Ejipta amin’ny lalana mankany Asiria. Nitatra tandrifin’ny rahalahiny rehetra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ary ny taranany dia nonina hatrany Havila ka hatrany Sora izay tandrifin’i Ejipta amin’ny lalana mankany Asiria; nifanandrify tamin’ny rahalahiny rehetra no nitoerany.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

18 Ny nipetrahan’ny taranak’i Jismahela dia ny faritra manomboka eo Havilà ka hatrany Sora; i Sora dia any akaikin’i Ejipta tamin’iny lalana mankany Asora iny. Nihataka tamin’ireo taranak’i Abrahama hafa no nitoerany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Ny nipetrahan’ny taranak’i Jismahela dia ny faritra manomboka eo Havilà ka hatrany Sora; i Sora dia any akaikin’i Ejipta tamin’iny lalana mankany Asora iny. Nihataka tamin’ireo taranak’i Abrahama hafa no nitoerany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin’i Egypta amin’ny làlana mankany Asyria; nifanandrify tamin’ny rahalahiny rehetra no nitoerany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin'i Egypta amin'ny lalana mankany Asyria; nifanandrify tamin'ny rahalahiny rehetra no nitoerany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ary ny taranany dia nonina hatrany Havila ka hatrany Sora izay tandrifin’i Ejipta amin’ny lalana mankany Asiria; nifanandrify tamin’ny rahalahiny rehetra no nitoerany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 25:18
17 Rohy Ifampitohizana  

i Ofira, i Hevilà, ary i Jôbaba.


Zanak’i Kosy: i Saba, i Hevilà, i Sabata, i Regma ary i Sabatakà. Zanak’i Regma: i Saba.


Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra, izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan’ny nandravan’i Iaveh an’i Sôdôma sy i Gômôra, dia tahaka ny sahan’i Iaveh, tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsôara.


Be lavaka ditin-tany tao an-dohasahan’i Sidima, ary nandositra ny mpanjakan’i Sôdôma sy ny mpanjakan’i Gômôra ka latsaka tamin’ireny, ary ny sisa nandositra tany an-tendrombohitra.


Ho ampondra haolo io lehilahy io: ny tanany haingainy hamely ny olona rehetra, ary ny tanan’ny olona rehetra kosa hiainga hamely azy; honina tandrifin’ny rahalahiny rehetra izy.»


Hitan’ny Anjelin’i Iaveh teo anilan’ny loharano anankiray tany an’efitra izy, dia teo anilan’ilay loharano amin’ny lalana mankany Sora.


Fisôna no anaran’ny voalohany; io no mandeha manodidina ny tany Hevilaty rehetra, izay misy ny volamena.


Nifindra niala teo i Abrahama, dia nankany amin’ny faritany atsimo, ka nonina teo anelanelan’i Kadesa sy i Sora, ary nitoetra kelikely tao Jerara izy.


Dia nifoha maraina koa i Abrahama, ka naka mofo sy rano eran’ny siny hoditra anankiray; nomeny an’i Agara sy nataony teo an-tsorony ireo ary ny zaza koa, dia nalefany izy. Nandeha ravehivavy ka nirenireny tany an’efitr’i Bersabea tany.


Nonina tany amin’ny efitra Faràna izy; ary nangalan-dreniny vady avy amin’ny tany Ejipta.


Tamin’ny androny, niakatra hamely ny mpanjakan’i Asiria any amin’ny Ony Eofrata, i Faraôna-Nekao mpanjakan’i Ejipta, ary nandeha hanehatra azy i Josiasa mpanjaka. Kanjo vao hitan’i Faraôna izy dia matiny tao Magedao.


i Ofira, i Hevilà ary i Jôbada. Izy rehetra ireo dia zanaka lahin’i Jektàna.


Lavon’ny sabatra ny mpisorony, ary tsy nigogogogo ny mpitondratena tany aminy.


Dia nasain’i Môizy niainga avy ao amin’ny Ranomasina Mena i Israely. Nandroso nankany amin’ny efitra Sora, ary hateloana izy nandeha tsy nahita rano tamin’io efitra io.


dia ny zanaka lahin’i Babilôna, mbamin’ny Kaldeanina rehetra, ny mpanapaka, ny lehibe, ny andriandahy, mbamin’ny zanaka lahin’i Asiria rehetra koa miaraka aminy, tovolahy soa, samy governora ama-mpifehy avokoa, samy manam-pahefana sy olo-malaza, samy mitaingin-tsoavaly avokoa.


Noresen’i Saola i Amaleka, hatrany Hevilà ka hatrany Sora eo atsinanan’i Ejipta.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra