Dia niainga i Abrama araka ny tenin’i Iaveh taminy, ary niara-nandeha taminy koa i Lôta. Efa dimy amby fitopolo taona i Abrama fony izy niala tany.
Genesisy 16:16 - Baiboly Katolika Efa enina amby valopolo taona i Abrama tamin’ny niterahan’i Agara an’i Ismaely tamin’i Abrama. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Enina amby valopolo taona i Abrama raha niteraka an’Ismaela tamin’i Hagara. DIEM PROTESTANTA Efa enina amby valopolo taona i Abrama, raha niteraka io zazalahy io ho azy i Hagara. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Efa enina amby valopolo taona i Abrama, raha niteraka io zazalahy io ho azy i Hagara. Baiboly Protestanta Malagasy Ary efa enina amby valo-polo taona Abrama, raha Hagara niteraka an’Isimaela taminy. Malagasy Bible Ary efa enina amby valo-polo taona Abrama, raha Hagara niteraka an'Isimaela taminy. La Bible en Malgache Enina amby valopolo taona i Abrama raha niteraka an’Ismaela tamin’i Hagara. |
Dia niainga i Abrama araka ny tenin’i Iaveh taminy, ary niara-nandeha taminy koa i Lôta. Efa dimy amby fitopolo taona i Abrama fony izy niala tany.
Dia niteraka zazalahy tamin’i Abrama i Agara; ary nomen’i Abrama anarana hoe Ismaely ny zaza naterak’i Agara.
Efa nonina folo taona tany amin’ny tany Kanaana i Abrama tamin’ny nakan’i Saray, vadin’i Abrama, an’i Agara ilay Ejiptianina mpanompovaviny, ka nanomezany azy an’i Abrama vadiny.
Nony efa sivy amby sivy folo taona i Abrama dia niseho taminy i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Izaho no Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra; mizora eo anatrehako ary aza manan-tsiny ianao;
Fito amby telopolo amby zato taona no andro niainan’i Ismaely. Dia niala aina izy ka maty, ary nakambana tamin’ny razany.