Genesisy 10:11 - Baiboly Katolika Avy ao amin’io tany io izy dia nankany Asora, ka nanorina an’i Niniva, i Rekôbôta-Ira, i Kale, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niala avy tamin’izany tany izany izy ka nankany Asiria, dia nanorina an’i Ninive mbamin’i Rehobota-Ira, i Kala DIEM PROTESTANTA Niala tamin’izany tany izany i Nimrôda ho any Asiria ary nanangana tanàna, dia i Ninive sy i Rehôbôta-Hiry, i Kela, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niala tamin’izany tany izany i Nimrôda ho any Asiria ary nanangana tanàna, dia i Ninive sy i Rehôbôta-Hiry, i Kela, Baiboly Protestanta Malagasy Ary nivoaka avy tamin’izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an’i Ninive mbamin’i Rehobot-ira sy Kala Malagasy Bible Ary nivoaka avy tamin'izany tany izany izy ka nankany Asyria, dia nanorina an'i Ninive mbamin'i Rehobot-ira sy Kala La Bible en Malgache Ary niala avy tamin’izany tany izany izy ka nankany Asiria, dia nanorina an’i Ninive mbamin’i Rehobota-Ira, i Kala |
Dia noravan’i Senakeriba mpanjakan’i Asiria ny toby, ka lasa izy niverina dia nitoetra tany Niniva.
dia nanatona an’i Zôrôbabela sy ny loham-pianakaviana izy, ka nanao taminy hoe: «Aoka mba hiara-manao aminareo izahay, fa manaja ny Andriamanitrareo tahaka anareo ihany, sady manatitra sorona ho Azy hatramin’ny andron’i Asarhadôna mpanjakan’i Asiria, izay nampiakatra anay ho atỳ.»
I Haràna, i Sene sy i Edena, ny mpandranto avy any Sabà, i Asora sy i Kelmàda nifampivarotra taminao:
Ao i Asora, mbamin’ny vahoakany rehetra; manodidina azy ny fasany; voatrobaka avokoa, lavon’ny sabatra avokoa izy.
Mitondrà teny ianareo, miaraka aminareo, ka miverena amin’i Iaveh, lazao aminy hoe: Esory ny heloka rehetra ary raiso izay tsara. Aoka hatolotray Anao ho solon’ny vantotr’ombalahy ny teny avy amin’ny molotray.
«Mitsangana ianao, ka mankanesa any Niniva, tanàna lehibe, hitory ny hamelezana azy, fa tafakatra hatraty Amiko ny haratsian’izy ireo».
Ary ny sisa amin’i Jakôba, any amin’ny firenena maro, ho toy ny ando avy any amin’i Iaveh, toy ny orana mipitipitika milatsaka amin’ny ahi-maitso; izy tsy miandry izay olona akory, na matoky ny zanak’olombelona.
Efa tanteraka izao, dia nampitanjahiny, lasan-ko babo izy io, ka mitoloko ny mpanompovaviny toy ny fitolokon’ny voromahailala; mandondon-tratra izy ireo.
Izay mahita anao, handositra lavitra anao avokoa, sy hanao hoe: Rava i Niniva! Iza no hangoraka azy? Aiza no hitadiavako mpampionona anao?
Haninji-tanana hamely ny Avaratra koa izy, handringana an’i Asora, ary hahalao an’i Niniva, ka hahatonga azy ho karankaina toy ny efitra.