Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Ezra 5:2 - Baiboly Katolika

Ka nitsangana nanomboka ny fanaovana ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema indray i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, sy i Jôsoe zanak’i Josedeka, ary niaraka taminy koa ireo mpaminanin’Andriamanitra nanampy azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia nitsangana i Zerobabela zanak’i Sealtiela sy i Josoa zanak’i Jozadaka ka nanomboka nanao ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin’Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Dia niroso niasa indray i Zerobabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadaka, mba hanorina ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema ary nanampy azy roa lahy koa ireo mpaminanin’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia niroso niasa indray i Zerobabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadaka, mba hanorina ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema ary nanampy azy roa lahy koa ireo mpaminanin’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia nitsangana Zerobabela, zanak’i Sealtiela, sy Jesoa, zanak’i Jozadaka, ka nanomboka nanao ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin’Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia nitsangana Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa, zanak'i Jozadaka, ka nanomboka nanao ny tranon'Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin'Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia nitsangana i Zerobabela zanak’i Sealtiela sy i Josoa zanak’i Jozadaka ka nanomboka nanao ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema indray; ary ireo mpaminanin’Andriamanitra ireo dia teo aminy ka nanampy azy.

Jereo ny toko



Ezra 5:2
16 Rohy Ifampitohizana  

Napetrak’i Sirosa mpanjakan’i Persa tao am-pelatanan’i Mitridata mpitahiry vola izany, ary izy no nanolotra azy, rahefa nisainy, tamin’i Sasabasara, filohan’i Jodà.


Tamin’ny taranaky ny mpisorona dia nisy namponina tao aminy vehivavy hafa firenena. Tamin’ny taranak’i Jôsoe, zanak’i Josedeka mbamin’ireo rahalahiny: i Maasiasa, i Eliezera, i Jiraba, ary i Godoliasa:


Ary nitsangana i Jôsoe, zanak’i Josedeka, mbamin’ny mpisorona rahalahiny sy i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, mbamin’ny rahalahiny, ka nanorina ny ôtelin’ny Andriamanitr’i Israely, hanaterana sorona, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, olon’Andriamanitra.


Tamin’ny taona faharoa nahatongavany teo amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema, tamin’ny volana faharoa, dia nanomboka ny asa i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, i Jôsoe zanak’i Josedeka, mbamin’ireo rahalahiny sisa, ny mpisorona sy ny Levita, ary izay rehetra tao Jerosalema, avy amin’ny fahababoana, ka nanendry ny Levita hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra izy, hitarika ny asa amin’ny tranon’i Iaveh.


Ka dia rafitra nanao ny trano ireo loholon’i Israely, ka nandroso tsara ny asa, noho ny faminanian’i Akzea mpaminany, sy i Zakaria zanak’i Adô. Nanao izy dia nahavita araka didin’ny Andriamanitr’i Israely sy araka ny didin’i Sirosa, i Dariosa, i Artakserksesa, mpanjakan’i Persa.


Koa diniho hatramin’izao anio izao no mankany, ny hatramin’ny andro faha-24n’ny volana fahasivy, ka hatramin’ny andro nanorenana ny Tempolin’i Iaveh, diniho!


Ary hoy izy tamiko: «Ireo no zanaka roan’ny fanosorana, izay mitsangana eo akaikin’ny Tompon’ny tany rehetra.»


Dia notohizako ny teniko, ka hoy aho tamin’ilay Anjely niresaka tamiko: «Inona no hevitr’ireo zavatra ireo, tompoko?»


- ka mandraisa volafotsy sy volamena, hanaovanao satroboninahitra, dia ataovy eo an-dohan’i Jesosy, mpisorona lehibe, zanak’i Josedeka.


Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: «Aoka hatanjaka ny tananareo, ianareo izay mandre amin’izao andro izao, ireto teny avy amin’ny vavan’ny mpaminany ireto, izay niteny tamin’ny andro nametrahana ny fanorenana ny tranon’i Iavehn’ny tafika, mba ho voaorina indray ny tempoly.


tsy dia hoe hanao jadona amin’ny finoanareo izahay (sanatria), fa miara-miasa hampandroso ny hafalianareo; raha ny finoana, dia efa miorina tsara ianareo.