Ezra 3:8 - Baiboly Katolika8 Tamin’ny taona faharoa nahatongavany teo amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema, tamin’ny volana faharoa, dia nanomboka ny asa i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, i Jôsoe zanak’i Josedeka, mbamin’ireo rahalahiny sisa, ny mpisorona sy ny Levita, ary izay rehetra tao Jerosalema, avy amin’ny fahababoana, ka nanendry ny Levita hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra izy, hitarika ny asa amin’ny tranon’i Iaveh. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20118 Tamin’ny volana faharoa tamin’ny taona faharoa taorianan’ny nahatongavany tany amin’ny tranon’Andriamanitra tany Jerosalema dia nanomboka niasa i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, sy i Josoa, zanak’i Jozadaka, mbamin’ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin’ny fahababoana ka nanendry ny levita izay hatramin’ny roapolo taona noho miakatra izy ho tonian’ny asa amin’ny tranon’NY TOMPO. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA8 Ary tamin’ny volana faharoan’ny taona faharoa nahatongavany teo amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema, dia nisantatra ilay asa i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela, sy i Jesoa zanakalahin’i Jôtsadàka mbamin’ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy sy ny levita ary izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany ka tonga tao Jerosalema. Nanendry ny Levita hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra ny daholobe mba ho tonian’izao asa amin’ny tranon’ny TOMPO izao; Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara8 Ary tamin’ny volana faharoan’ny taona faharoa nahatongavany teo amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema, dia nisantatra ilay asa i Zerobabela zanakalahin’i Sealtiela, sy i Jesoa zanakalahin’i Jôtsadàka mbamin’ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy sy ny levita ary izay rehetra tafaverina avy any an-tsesitany ka tonga tao Jerosalema. Nanendry ny Levita hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra ny daholobe mba ho tonian’izao asa amin’ny tranon’ny TOMPO izao; Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy8 Ary tamin’ny volana faharoa tamin’ny taona faharoa taorian’ny nahatongavany tany amin’ny tranon’Andriamanitra tany Jerosalema dia niantomboka Zerobabela, zanak’i Sealtiela, sy Jesoa, zanak’i Jozadaka, mbamin’ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin’ny fahababoana, ka nanendry ny Levita izay hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra izy ho tonian’ny asa amin’ny tranon’i Jehovah. Jereo ny tokoMalagasy Bible8 Ary tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona faharoa taorian'ny nahatongavany tany amin'ny tranon'Andriamanitra tany Jerosalema dia niantomboka Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy Jesoa, zanak'i Jozadaka, mbamin'ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin'ny fahababoana, ka nanendry ny Levita izay hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra izy ho tonian'ny asa amin'ny tranon'i Jehovah. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache8 Tamin’ny volana faharoa tamin’ny taona faharoa taorianan’ny nahatongavany tany amin’ny tranon’Andriamanitra tany Jerosalema dia nanomboka niasa i Zerobabela, zanak’i Sealtiela, sy i Josoa, zanak’i Jozadaka, mbamin’ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny levita* ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin’ny fahababoana ka nanendry ny levita izay hatramin’ny roapolo taona noho miakatra izy ho tonian’ny asa amin’ny tranon’NY TOMPO. Jereo ny toko |
Fa namaly azy kosa i Zôrôbabela sy i Jôsoe mbamin’ireo namany loham-pianakavian’i Israely nanao hoe: «Tsy mety raha izahay sy ianareo no miara-manao ny tranon’Andriamanitray, fa izahay ihany no hanao azy, ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, araka ny voadidin’ny mpanjaka, dia i Sirosa mpanjakan’i Persa.»