Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ezra 3:9 - Baiboly Katolika

9 Dia indray nivonona ny Levita: i Jôsoe mbamin’ireo zanany aman-drahalahiny, i Kedmiela, mbamin’ireo zanany, zanak’i Jodà, hitarika an’izay niasa nanao ny asa momba ny tranon’Andriamanitra; torak’izany koa ny taranak’i Henadada, mbamin’ny zanany sy ny rahalahiny; samy Levita avokoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Dia niara-nitsangana i Josoa sy ny zanany ary ny rahalahiny, mbamin’i Kadmiela sy ny zanany, zanak’i Joda, ho tonian’ny mpiasa tamin’ny tranon’Andriamanitra, ary ny zanak’i Henadada koa mbamin’ny zanany sy ny levita rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

9 ary niray hina nijoro ho tonian’ny mpiasa ireo levita: dia ry i Jesoa sy i Kadmiela mirahalahy zanak’i Hôdavià mbamin’ny taranany avy, ireo zanakalahin’i Henadada mbamin’ny taranany avy, ary koa levita hafa mpiray foko aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 ary niray hina nijoro ho tonian’ny mpiasa ireo levita: dia ry i Jesoa sy i Kadmiela mirahalahy zanak’i Hôdavià mbamin’ny taranany avy, ireo zanakalahin’i Henadada mbamin’ny taranany avy, ary koa levita hafa mpiray foko aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Dia niara-nitsangana Jesoa sy ny zanany ary ny rahalahiny, ary Kadmiela sy ny zanany, zanak’i Joda, ho tonian’ny mpiasa tamin’ny tranon’Andriamanitra, ary ny zanak’i Henadada koa mbamin’ny zanany sy ny Levita rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Dia niara-nitsangana Jesoa sy ny zanany ary ny rahalahiny, ary Kadmiela sy ny zanany, zanak'i Joda, ho tonian'ny mpiasa tamin'ny tranon'Andriamanitra, ary ny zanak'i Henadada koa mbamin'ny zanany sy ny Levita rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Dia niara-nitsangana i Josoa sy ny zanany ary ny rahalahiny, mbamin’i Kadmiela sy ny zanany, zanak’i Joda, ho tonian’ny mpiasa tamin’ny tranon’Andriamanitra, ary ny zanak’i Henadada koa mbamin’ny zanany sy ny levita rahalahiny.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 3:9
6 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Davida: «Aoka ny 24.000 amin’izy ireo, hiadidy ny raharaha ao an-tranon’i Iaveh, ny enina arivo ho mpanoratra sy mpitsara,


Nefain’ireo lehilahy ireo tamim-pahamarinana ny anjara asany. Ny voatery hitandrina azy ireo, dia i Jahata sy i Abdiasa Levita tamin’ny taranak’i Merarì, i Zakariasa sy i Mosolama tamin’ny taranaky ny Kaatita; izy ireo no nitarika azy mbamin’ny Levita hafa koa izay samy mahay zava-maneno.


Levita: 74 ny taranak’i Josoe sy i Kedmiela, avy amin’ny taranak’i Odoiasa.


Tamin’ny taona faharoa nahatongavany teo amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema, tamin’ny volana faharoa, dia nanomboka ny asa i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, i Jôsoe zanak’i Josedeka, mbamin’ireo rahalahiny sisa, ny mpisorona sy ny Levita, ary izay rehetra tao Jerosalema, avy amin’ny fahababoana, ka nanendry ny Levita hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra izy, hitarika ny asa amin’ny tranon’i Iaveh.


Manarakaraka azy, i Benoy zanak’i Henadada, namboatra ny laniny iray, hatreo amin’ny tranon’i Azariasa ka hatreo amin’ny zorony sy hatreo amin’ny fiolahana.


Levita: 74 ny taranak’i Josoe sy i Kedmiela avy amin’ny taranak’i Odoiasa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra