Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ezra 3:7 - Baiboly Katolika

7 Nomem-bola ny mpipai-bato ama-mpandrafitra: nomen-kanina amam-pisotro sy diloilo koa ny Sidonianina sy ny Tirianina, mba hitondrany ny hazo sedera avy any Libàna amin’ny ranomasina, hatreo Jôpe, araka ny fanomezan-dalana azo tamin’i Sirosa mpanjakan’i Persa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Nomena vola ny tambato sy ny mpandrafitra; nomena zavatra hohanina sy hosotroina ary diloilo ny Tiriana sy ny Sidoniana mba hitaterany an-dranomasina hazo sedera, avy any Libanona ka hatrany Jopa, araka ny lalana efa azony tamin’i Kirosy, mpanjakan’i Persia.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

7 Dia nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra; nomeny hanina amam-pisotro sy menaka ny Tirianina sy ny Tsidônianina mba hitondra hazo sedera avy any Libano ka hitatitra azy an-dranomasina hatrany Jafao. Araka ny fanomezan-dàlana nomen’i Kirôsa amperôran’i Persia no nanaovan’ny Israelita izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Dia nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra; nomeny hanina amam-pisotro sy menaka ny Tirianina sy ny Tsidônianina mba hitondra hazo sedera avy any Libano ka hitatitra azy an-dranomasina hatrany Jafao. Araka ny fanomezan-dàlana nomen’i Kirôsa amperôran’i Persia no nanaovan’ny Israelita izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra, ary ny any Tyro sy ny any Sidona dia nomeny zavatra hohanina sy hosotroina sy diloilo mba hitondrany hazo sedera avy any Libanona hatramin’ny ranomasina any Jopa, araka ny teny efa azony tamin’i Kyrosy, mpanjakan’i Persia.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra, ary ny any Tyro sy ny any Sidona dia nomeny zavatra hohanina sy hosotroina sy diloilo mba hitondrany hazo sedera avy any Libanona hatramin'ny ranomasina any Jopa, araka ny teny efa azony tamin'i Kyrosy, mpanjakan'i Persia.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Nomena vola ny tambato sy ny mpandrafitra; nomena zavatra hohanina sy hosotroina ary diloilo ny Tiriana sy ny Sidoniana mba hitaterany an-dranomasina hazo sedera, avy any Libanona ka hatrany Jopa, araka ny lalana efa azony tamin’i Kirosy, mpanjakan’i Persia.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 3:7
20 Rohy Ifampitohizana  

Nandefa iraka nankany amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tira, sy nampitondra hazo sedera, ary naniraka mpandrafitra sy tambato hanao trano ho an’i Davida.


40.000 no efitranon’ny soavaly mpitarika kalesin’i Salômôna, ary 12.000 no soavaly fitaingina.


Koa naka vata anankiray i Jôiadà mpisorona nasiany loaka ny sarony, napetrany teo anilan’ny ôtely ankavanan’ny fidirana ho ao an-tranon’i Iaveh, dia nataon’ny mpisorona mpiandry varavarana tao ny vola rehetra naterin’ny olona tao an-tranon’i Iaveh.


ny mpandrafitra vato, ny tambato; nanome izany koa izy ireo hividianana hazo amam-bato voapaika, hanamboarana ny banga amin’ny tranon’i Iaveh mbamin’ny lany rehetra hanamafisana ny trano.


Napetrany izany teo an-tanan’ireo mpampanao ny asa, izay notendrena ho mpitandrina amin’ny tranon’i Iaveh; dia ireto kosa indray no nizara azy tamin’ny mpiasa, izay niasa tamin’ny tranon’i Iaveh, hamboatra sy hanamafy ny trano.


Hatramin’ny andro voalohan’ny volana fahafito, dia efa nanomboka ny manatitra sorona dorana ho an’i Iaveh izy ireo; ny fototry ny tempolin’i Iaveh anefa dia mbola tsy nalatsaka.


I Jodà sy ny tanin’i Israely nifampivarotra taminao, ny amin’ny varin’i Minîta, ny zava-manitra, ny tantely, ny diloilo, ny ditin-kazo manitra.


Dia nitsangana i Jônasy handositra ho any Tarsisa, lavitra ny tavan’i Iaveh. Nidina tany Jôpe izy, dia nahita sambo ho any Tarsisa, ka naloany ny saran-tsambo, dia niditra tao izy, hiaraka amin’izy ireo ho any Tarsisa, lavitra ny tavan’i Iaveh.


Tezitra tamin’ny mponina any Tira sy Sidona i Herôda fahizany. Koa nony efa nahazo an’i Blasta mpitandrina ny trano fandrian’ny mpanjaka ho sakaizany ry zareo ireo, dia niara-nanatona azy mba hangataka fihavanana taminy, satria ny tanin’i Herôda no niveloman’ny fireneny.


Ary tany Jôpe nisy vehivavy anankiray mpianatra atao hoe Tabità, na hoe Dôrkasy raha adika, izay nahavita asa soa amam-piantrana betsaka.


Ary i Lidà moa dia akaikin’i Jôpe ihany; ka ren’ny mpianatra fa hoe ao i Piera, dia naniraka roa lahy ho any aminy izy ireo hangataka azy hoe: «Aza miatoato hankatỳ aminay.»


Ary i Piera nitoetra andro maromaro tany Jôpe, tao amin’ny mpandòn-koditra anankiray atao hoe Simôna.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra