Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ezra 3:2 - Baiboly Katolika

2 Ary nitsangana i Jôsoe, zanak’i Josedeka, mbamin’ny mpisorona rahalahiny sy i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, mbamin’ny rahalahiny, ka nanorina ny ôtelin’ny Andriamanitr’i Israely, hanaterana sorona, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, olon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary nitsangana i Josoa zanak’i Jozadaka sy ny mpisorona rahalahiny ary i Zerobabela zanak’i Sealtiela sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran’Andriamanitry ny Israely mba hanolorana fanatitra dorana manontolo eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Tamin’izay i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadàka, sy ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy, ary koa i Zerôbabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy ireo olona iray tarika aminy no nirotsaka nanorina ny alitaran’Ilay Andriamanitr’i Israely mba hanolorana sorona dorana manontolo, araka izay voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, olon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Tamin’izay i Jesoa, zanakalahin’i Jôtsadàka, sy ireo mpisorona mpiombom-panompoana aminy, ary koa i Zerôbabela, zanakalahin’i Sealtiela, sy ireo olona iray tarika aminy no nirotsaka nanorina ny alitaran’Ilay Andriamanitr’i Israely mba hanolorana sorona dorana manontolo, araka izay voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, olon’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Dia nitsangana Jesoa, zanak’i Jozadaka, sy ny mpisorona rahalahiny ary Zerobabela, zanak’i Sealtiela, sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran’Andriamanitry ny Isiraely hanaterana fanatitra dorana eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin’ny lalàn’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Dia nitsangana Jesoa, zanak'i Jozadaka, sy ny mpisorona rahalahiny ary Zerobabela, zanak'i Sealtiela, sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran'Andriamanitry ny Isiraely hanaterana fanatitra dorana eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin'ny lalàn'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Ary nitsangana i Josoa zanak’i Jozadaka sy ny mpisorona rahalahiny ary i Zerobabela zanak’i Sealtiela sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran’Andriamanitry ny Israely mba hanolorana fanatitra dorana manontolo eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 3:2
33 Rohy Ifampitohizana  

Ny Kananeanina tamin’izay no nitoetra tamin’ny tany. Niseho tamin’i Abrama i Iaveh ka nanao hoe: «Homeko ny taranakao ity tany ity.» Ary teo i Abrama nanorina ôtely ho an’i Iaveh izay niseho taminy.


Ny amin’i Môizy, mpanompon’Andriamanitra kosa, dia nisaina anatin’ny fokon’i Levỳ ihany ny zanany.


Zanaka lahin’i Jekôniasa: i Asira, i Salatiela zanany,


Zanaka lahin’i Fadaiasa: i Zôrôbabela sy i Semeià. Zanaka lahin’i Zôrôbabela: i Mosolama, i Hananiasa ary i Salômita, anabavin’ireo;


fa i Jerosalema no nofidiko hitoeran’ny Anarako, ary i Davida no nofidiko hanjaka amin’i Israely vahoakako.


Tamin’ny taranaky ny mpisorona dia nisy namponina tao aminy vehivavy hafa firenena. Tamin’ny taranak’i Jôsoe, zanak’i Josedeka mbamin’ireo rahalahiny: i Maasiasa, i Eliezera, i Jiraba, ary i Godoliasa:


Tamin’ny taranak’i Emara: i Hananỳ sy i Zebediasa.


Tamin’ny taranak’i Harima: i Maasiasa, i Elia, i Semeisa, i Jehiela ary i Oziasa.


Tamin’ny taranak’i Fasora: i Eliôenaì, i Maasiasa, i Ismaela, i Natanaely, i Jôzabeda ary i Elasà.


dia niverina niaraka tamin’i Zôrôbabela, i Jôsoe, i Nehemia, i Saraiasa, i Rahelaiasa, i Mardokea, i Belsàna, i Mesfara, i Begoai, i Rehoma, i Baanà. Izao no isan’ny ankapobem-bahoaka tamin’i Israely:


Tamin’ny taona faharoa nahatongavany teo amin’ny tranon’Andriamanitra tao Jerosalema, tamin’ny volana faharoa, dia nanomboka ny asa i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, i Jôsoe zanak’i Josedeka, mbamin’ireo rahalahiny sisa, ny mpisorona sy ny Levita, ary izay rehetra tao Jerosalema, avy amin’ny fahababoana, ka nanendry ny Levita hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra izy, hitarika ny asa amin’ny tranon’i Iaveh.


Ka nitsangana nanomboka ny fanaovana ny tranon’Andriamanitra ao Jerosalema indray i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, sy i Jôsoe zanak’i Josedeka, ary niaraka taminy koa ireo mpaminanin’Andriamanitra nanampy azy.


Izao no mpisorona sy Levita niara-niverina tamin’i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, sy i Josoe: I Saraiasa, i Jeremia, i Esdrasa,


Levita: i Josoe, i Benoy, i Kedmiela, i Sarebiasa, i Jodà, i Mataniasa, izay nitarika ny hira fiderana, niaraka tamin’ireo rahalahiny;


Fa ny fokon’i Jodà no nofidiny, dia ny tendrombohitr’i Siôna izay efa tiany.


«Hanao ôtely amin’ny hazo akasià ianao: dimy hakiho ny halavany, dimy hakiho ny sakany, ka hitovy efatra ny lafiny, ary telo hakiho ny haavony.


Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjaka, tamin’ny volana fahenina, andro voalohan’ny volana, no nahatongavan’ny tenin’i Iaveh, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, tamin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora tany Jodà, sy tamin’i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, nanao hoe:


Tamin’izay i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, sy i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, mbamin’ny vahoaka sisa rehetra nihaino ny feon’i Iaveh Andriamaniny, sy ny tenin’i Akjea, mpaminany, araka ny hafatra nomen’i Iaveh Andriamaniny azy, ka natahotra ny vahoaka teo anatrehan’i Iaveh.


Ary notairin’i Iaveh ny fanahin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora tany Jodà, ny fanahin’i Jesosy, zanak’i Josedeka, mpisorona lehibe, sy ny fanahin’ny vahoaka sisa rehetra; ka dia tonga izy ireo ary niasa tamin’ny Tranon’i Iavehn’ny tafika Andriamaniny,


Lazao amin’i Zôrôbabela, governora any Jodà, hoe: Hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany;


Amin’izany andro izany, - teny marin’i Iavehn’ny tafika, halaiko ianao, ry Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, ry mpanompoko, - teny marin’i Iaveh, - ka hataoko toy ny fanombohan-kase; satria efa voafidiko ianao, - teny marin’i Iavehn’ny tafika.


Nasehony ahy i Jesosy, mpisorona lehibe, nitsangana teo anatrehan’ilay Anjelin’i Iaveh, ary i Satana nitsangana teo ankavanan’io mba hanohitra azy.


Mihainoa àry, ry Jesosy, mpisorona lehibe, ianao sy ireo namanao mipetraka eo anoloanao: - fa olona hatao fambara ireo: Indro Aho efa hampiavy ilay Solofo, mpanompoko.


- ka mandraisa volafotsy sy volamena, hanaovanao satroboninahitra, dia ataovy eo an-dohan’i Jesosy, mpisorona lehibe, zanak’i Josedeka.


Ento amin’ny zanak’i Israely izao didy izao, ka lazao aminy hoe: Tandremo ny fanaterana ara-potoana voafetra ny fanatitra ho Ahy, dia ny fahana ho ahy amin’ny sorona atao amin’ny afo izay mani-pofona amiko.


zanak’i Jôanàna, zanak’i Rezà, zanak’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, zanak’i Nerì,


Nanorina ôtely teo i Jedeôna ho an’i Iaveh ka nantsoiny hoe: Iaveh-Saloma; mbola ao Efràn’i Abiesera izany mandraka androany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra