Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ezra 3:3 - Baiboly Katolika

3 Naoriny teo amin’ilay niorenany taloha ihany ny ôtely fa raiki-tahotra mafy teo anatrehan’ny vahoakan’ny tany izy ireo, ka nanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh teo, dia ny sorona dorana marain-tsy hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Naoriny teo amin’ilay efa niorenany taloha ihany ny alitara satria natahotra ny tompon-tany izy, avy eo dia nanolotra fanatitra dorana manontolo teo amboniny ho an’NY TOMPO izy, dia ny fanatitra dorana manontolo marain-tsy hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Na dia nampahatahotra azy aza ireo valovotaka tao Joda, dia naorin’ny Israelita teo amin’ny toerany taloha ihany ny alitara; ary teo amboniny no nanolorany sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO, dia ireo sorona fanao maraina sy hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Na dia nampahatahotra azy aza ireo valovotaka tao Joda, dia naorin’ny Israelita teo amin’ny toerany taloha ihany ny alitara; ary teo amboniny no nanolorany sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO, dia ireo sorona fanao maraina sy hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Dia naoriny teo amin’ilay efa niorenany ihany ny alitara, satria natahotra ny tompon-tany izy, ary nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an’i Jehovah izy, dia ny fanatitra dorana marain-tsy hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Dia naoriny teo amin'ilay efa niorenany ihany ny alitara, satria natahotra ny tompon-tany izy, ary nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an'i Jehovah izy, dia ny fanatitra dorana marain-tsy hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Naoriny teo amin’ilay efa niorenany taloha ihany ny alitara satria natahotra ny tompon-tany izy, avy eo dia nanolotra fanatitra dorana manontolo teo amboniny ho an’NY TOMPO izy, dia ny fanatitra dorana manontolo marain-tsy hariva.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 3:3
11 Rohy Ifampitohizana  

mba hanolotra sorona dorana tsy tapaka, maraina sy hariva, amin’i Iaveh, eo anoloan’ny ôtely fanaovan-tsorona dorana, sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin’ny lalàn’i Iaveh izay nandidiany an’i Israely.


Nanao ôtely varahina anìdina i Salômôna, roapolo hakiho ny halavany, roapolo hakiho ny sakany, ary folo hakiho ny haavony.


Tamin’izay, ny tompon-tany dia nanao izay hampiraviravy tanana ny vahoakan’i Jodà, nampatahotahotra azy amin’ny asany.


sy nilazany hoe: Raiso ireto fanaka ireto, ka mandehana apetraho ao amin’ny tempoly any Jerosalema, ary aoka hatsangana eo amin’izay niorenany ny tranon’Andriamanitra.


Roa ambinin’ny folo hakiho, ny lavan’ny Ariela; 12 hakiho koa ny sakany; efa-joro sokera tsara izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra