Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Ezra 3:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Na dia nampahatahotra azy aza ireo valovotaka tao Joda, dia naorin’ny Israelita teo amin’ny toerany taloha ihany ny alitara; ary teo amboniny no nanolorany sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO, dia ireo sorona fanao maraina sy hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Naoriny teo amin’ilay efa niorenany taloha ihany ny alitara satria natahotra ny tompon-tany izy, avy eo dia nanolotra fanatitra dorana manontolo teo amboniny ho an’NY TOMPO izy, dia ny fanatitra dorana manontolo marain-tsy hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Na dia nampahatahotra azy aza ireo valovotaka tao Joda, dia naorin’ny Israelita teo amin’ny toerany taloha ihany ny alitara; ary teo amboniny no nanolorany sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO, dia ireo sorona fanao maraina sy hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Naoriny teo amin’ilay niorenany taloha ihany ny ôtely fa raiki-tahotra mafy teo anatrehan’ny vahoakan’ny tany izy ireo, ka nanatitra sorona dorana ho an’i Iaveh teo, dia ny sorona dorana marain-tsy hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Dia naoriny teo amin’ilay efa niorenany ihany ny alitara, satria natahotra ny tompon-tany izy, ary nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an’i Jehovah izy, dia ny fanatitra dorana marain-tsy hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Dia naoriny teo amin'ilay efa niorenany ihany ny alitara, satria natahotra ny tompon-tany izy, ary nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an'i Jehovah izy, dia ny fanatitra dorana marain-tsy hariva.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Naoriny teo amin’ilay efa niorenany taloha ihany ny alitara satria natahotra ny tompon-tany izy, avy eo dia nanolotra fanatitra dorana manontolo teo amboniny ho an’NY TOMPO izy, dia ny fanatitra dorana manontolo marain-tsy hariva.

Jereo ny toko dika mitovy




Ezra 3:3
11 Rohy Ifampitohizana  

Izy ireo no hanatitra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO tsy an-kiato marain-tsy hariva ary eo amin’ny alitara fisoronana sy hanao izay fandraharahana rehetra voasoratra ao amin’ny lalàna nandidian’ny TOMPO an’i Israely,


Dia nataon’i Horama koa ny alitara halimo efamira, izay folo metatra ny lafiny ary dimy metatra ny haavony.


Tamin’izany ny valovotaka dia nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sady nandevilevy azy mba tsy hanorina ilay trano.


dia nasainy noraisin’i Sesebatsàro ireo fanaka ireo mba hapetrany ao amin’ny tempolin’i Jerosalema rehefa voaorina indray eo amin’izay toerany taloha izany tranon’Andriamanitra izany.


Efamira ny fatana ka enina metatra avy ny lafiny tsirairay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra