tamin’ny taranak’i Elama: i Metaniasa, i Zakaria, i Jehiela, i Abdỳ, i Jerimota ary i Elia;
Ezra 10:2 - Baiboly Katolika Tamin’izay dia niteny i Skeniasa zanak’i Jehiela, amin’ny taranak’i Elama, ka nanao tamin’i Esdrasa hoe: «Nanota tamin’Andriamanitra tokoa izahay, fa namponina eto aminay vehivavy hafa firenena avy amin’ny olona monina amin’ny tany. Ary ankehitriny dia mbola misy fanantenana ho an’i Israely ny amin’izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy i Sekania, zanak’i Jehiela, isan’ny taranak’i Elama, tamin’i Ezra hoe: Efa nanao izay mahadiso teo anatrehan’Andriamanitsika izahay satria naka vehivavy hafa firenena avy tamin’ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an’ny Israely ny amin’izany zavatra izany. DIEM PROTESTANTA Tamin’izany no niteny i Sekanià, zanakalahin’i Jehiela sady anisan’ny taranak’i Helama, ka nanao tamin’i Hezrà hoe: –Efa nanao izay mahadiso amin’Ilay Andriamanitsika izahay, satria naka vehivavy hafa firenena anisan’ireo mponin’ity tany ity ho vadinay; nefa na izany aza, dia mbola misy fanantenana ihany ho an’i Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izany no niteny i Sekanià, zanakalahin’i Jehiela sady anisan’ny taranak’i Helama, ka nanao tamin’i Hezrà hoe: –Efa nanao izay mahadiso amin’Ilay Andriamanitsika izahay, satria naka vehivavy hafa firenena anisan’ireo mponin’ity tany ity ho vadinay; nefa na izany aza, dia mbola misy fanantenana ihany ho an’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy Dia namaly Sekania, zanak’i Jehiela, isan’ny taranak’i Elama, ka nanao tamin’i Ezra hoe: Izahay efa nanao izay mahadiso amin’Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin’ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an’ny Isiraely ny amin’izany zavatra izany. Malagasy Bible Dia namaly Sekania, zanak'i Jehiela, isan'ny taranak'i Elama, ka nanao tamin'i Ezra hoe: Izahay efa nanao izay mahadiso amin'Andriamanitsika, fa efa naka vehivavy hafa firenena avy tamin'ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an'ny Isiraely ny amin'izany zavatra izany. La Bible en Malgache Dia hoy i Sekania, zanak’i Jehiela, isan’ny taranak’i Elama, tamin’i Ezra hoe: Efa nanao izay mahadiso teo anatrehan’Andriamanitsika izahay satria naka vehivavy hafa firenena avy tamin’ny tompon-tany ho vadinay; nefa mbola misy fanantenana ihany ho an’ny Israely ny amin’izany zavatra izany. |
tamin’ny taranak’i Elama: i Metaniasa, i Zakaria, i Jehiela, i Abdỳ, i Jerimota ary i Elia;
tamin’ny taranak’i Alama, i Izaia zanak’i Ataliasa, mbamin’ireo 60 lahy izay niaraka taminy;
Nony vita izany rehetra izany, nanatona ahy ny lehibe, ka nanao hoe: «Tsy tafasaraka tamin’ny vahoakan’ireto tany ireto ny vahoaka Israely mbamin’ny mpisorona sy ny Levita fa manaraka ny fahavetavetany, ny an’ny Kananeanina, ny Heteanina, ny Ferzeanina, ny Jebôseanina, ny Amônita, ny Moabita, ny Ejiptianina, ary ny Amôreana;
satria naka ny zanaka vavin’ireo izy ho vady, sy ho an’ny zanany lahy, ka tafaharo amin’ny vahoakan’ireto tany ireto ny taranaka masina; sady ny lohany sy andriambaventy indrindra no loha lalana amin’izany ota izany.»
Ka moa tokony ho re akory va, fa ianareo koa mahavita heloka be vava sy manota amin’ny Andriamanitsika toy izany, fa namponina ao aminareo vehivavy hafa firenena!
Manarakaraka azy, i Sadôka zanak’i Emera nanamboatra ny teo anoloan’ny tranony; manarakaraka azy, nanamboatra i Semeiàsa zanak’i Sikemiasa mpiandry ny vavahady atsinanana amin’ny tempoly.
Tandremo fandrao manao fanekem-pihavanana amin’ny mponina amin’ny tany izay ndeha hiadianao, sao zary fandrika eo afovoanao ireny.
Izay manafina ny fahotany tsy mba hambinina; fa izay mitsotra sy mahafoy izany dia hahazo famindram-po.