Nilazana ny mpanjakan’i Ejipta fa hoe: «Lasa nandositra ny vahoaka.» Tamin’izay dia voaova ny fon’i Faraôna sy ny mpanompony, ny amin’ny vahoaka, fa hoy izy ireo: «Naninona ity isika no nandefa an’i Israely handeha, ka namoy ny fanompoany antsika?»
Eksodosy 8:15 - Baiboly Katolika Ka hoy ny mpanao ody tamin’i Faraôna: Rantsan-tanan’Andriamanitra izany. Ary nihamafy anefa ny fon’i Faraôna ka tsy nihaino azy ireo Izy, araka ny efa voalazan’i Iaveh. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hoy ny ombiasy tamin’i Farao: Rantsantanan’Andriamanitra ity! Nefa nihamafy ny fon’i Farao ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Dia hoy ireo mpimasy tamin’ny Farao: –Herin’Andriamanitra no ao amin’io tehina io! Kanefa ny Farao dia nanamafy ny fony, araka izay efa nolazain’ny TOMPO, ka tsy nihaino ny fangatahan’i Mosesy sy i Aharôna. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ireo mpimasy tamin’ny Farao: –Herin’Andriamanitra no ao amin’io tehina io! Kanefa ny Farao dia nanamafy ny fony, araka izay efa nolazain’ny TOMPO, ka tsy nihaino ny fangatahan’i Mosesy sy i Aharôna. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hoy ny ombiasy tamin’i Farao: Rantsantànan’Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon’i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain’i Jehovah. Malagasy Bible Dia hoy ny ombiasy tamin'i Farao: Rantsan-tànan'Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain'i Jehovah. La Bible en Malgache Dia hoy ny ombiasy tamin’i Farao: Rantsantanan’Andriamanitra ity! Nefa nihamafy ny fon’i Farao ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain’NY TOMPO. |
Nilazana ny mpanjakan’i Ejipta fa hoe: «Lasa nandositra ny vahoaka.» Tamin’izay dia voaova ny fon’i Faraôna sy ny mpanompony, ny amin’ny vahoaka, fa hoy izy ireo: «Naninona ity isika no nandefa an’i Israely handeha, ka namoy ny fanompoany antsika?»
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Eny am-pandehanana hiverina ho any Ejipta, diniho an-tsaina ireo fahagagana rehetra napetrako eo am-pelatananao ireo; hataonao eo anatrehan’i Faraôna ireo. Fa Izaho kosa hanamafy ny fony, ka tsy havelany handeha ny vahoaka.
Tsy hihaino anareo i Faraôna, ary haninjitra ny tanako amin’i Ejipta Aho, ary fitsarana lehibe no hamoahako avy amin’ny tany Ejipta, ny tafiko, ny oloko, ny zanak’i Israely.
Nanao toy izany tamin’ny fankatoavany ihany koa ny mpanao ody mba hahatonga moka, fa tsy nahavita izany izy. Mby eny amin’ny olona sy ny biby ny moka.
Ary hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Mifohaza maraina koa ka tongava eo anatrehan’i Faraôna amin’ilay fotoana ivoahany ho any amoron-drano iny. Lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Iaveh: Avelao handeha ny vahoakako hanompoany ahy.
Nefa mbola nanamafy ny fony ihany indray i Faraôna tamin’izany, ka tsy nalefany handeha ny vahoaka.
Nivoaka avy ao amin’i Faraôna i Môizy sy Aarôna; ary i Môizy nitaraina tamin’i Iaveh ny amin’ny sahona namely an’i Faraôna.
Ny olona tandrifin’ny hanarina, ka mihamafy hatoka, dia ho torotoro tampoka tsy hisy fanafody hahasitrana.
Saingy tsy tanterahina vetivety, ny teny fitsarana navoaka hamaliana ny ratsy atao, ka noho izany ny fon’ny zanak’olombelona dia mihasahy ao anatiny amin’ny fanaovan-dratsy;
Raha omena famindram-po ny ratsy fanahy dia tsy mahalala ny fahamarinana; ka na eo amin’ny tanin’ny fahamarinana aza izy dia manao ratsy, sy tsy mahita izay fiandrianan’i Iaveh.
Inona no hataoko aminao, ry Efraima? Inona no hataoko aminao, ry Jodà? Fa ny fitiavam-bavakareo dia tahaka ny rahona maraina, tahaka ny ando amin’ny maraina ka levona vetivety.
araka ilay lazaina hoe: Anio raha mandre ny feony ianareo, aza manamafy ny fonareo, tahaka ny tamin’ny fahasosorana.
aza manamafy ny fonareo tahaka ny tamin’ny fahasosorana tamin’ny andron’ny fakam-panahy tany an’efitra,
ka main’ny afo mafy indrindra ny olona; nefa ny manevateva ny Anaran’Andriamanitra, Izay manam-pahefana amin’ireny loza ireny no nataony, fa tsy ny mibebaka mba hanome voninahitra Azy Tompo.
Avy hatrany dia ny lalana mankany Bety-Samesy no nalehan’ireto omby vavy. Nizotra tamin’izany lalana izany izy sady nandroso no nimamà, ka tsy nivily ho amin’ny ankavanana izy, na ho amin’ny ankavia. Narahin’ny andrian’ny Filistinina avy eo aoriany izy hatrany amin’ny faritanin’i Bety-Samesy.
Ary hoy ny navaliny: «Raha mamerina ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely ianareo, aza mamerina azy fotsiny, fa tsy maintsy ombanareo fanati-panonerana izy; amin’izay dia ho sitrana ianareo, ka ho fantatrareo ny tsy nialan’ny tanany taminareo».
Nahoana ianareo no dia hanamafy ny fonareo, toy ny nanamafisan’i Ejipta sy i Faraôna ny fony? Tsy nalefan’ireo handeha va ny zanak’i Israely, nony efa nasiany tamin’ny saziny izy ireo?
Dia araho maso izy, ka raha miakatra amin’ny lalana mankany amin’ny tanànany, ho any Bety-Samesy izy, dia i Iaveh no nahatonga izao loza lehibe izao tamintsika, fa raha tsy izany kosa, dia ho fantatsika fa tsy ny tanany no namely antsika, fa sendrasendra no nahatongavan’izany tamintsika.»