Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 6:23 - Baiboly Katolika

I Aarôna naka an’i Elisabeta, zanaka vavin’i Aminadaba, anabavin’i Naasôna, ho vadiny, ka io no niteraka taminy an’i Nabada, i Abina, i Eleazara ary i Itamara.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary i Arona dia naka an’i Eliseba, zanakavavin’i Aminadaba sady anabavin’i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an’i Nadaba sy i Abiho ary i Eleazara sy Itamara taminy izy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

I Aharôna dia nanambady an’i Eliseba, zanakavavin’i Haminadaba sady anabavin’i Nahasôna; io Eliseba io no niterahan’i Aharôna an’i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

I Aharôna dia nanambady an’i Eliseba, zanakavavin’i Haminadaba sady anabavin’i Nahasôna; io Eliseba io no niterahan’i Aharôna an’i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Arona naka an’i Eliseba, zanakavavin’i Aminadaba sady anabavin’i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an’i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara taminy izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Arona naka an'i Eliseba, zanakavavin'i Aminadaba sady anabavin'i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an'i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara taminy izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary i Arona dia naka an’i Eliseba, zanakavavin’i Aminadaba sady anabavin’i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an’i Nadaba sy i Abiho ary i Eleazara sy Itamara taminy izy.

Jereo ny toko



Eksodosy 6:23
19 Rohy Ifampitohizana  

I Ramà niteraka an’i Aminadaba. I Aminadaba niteraka an’i Nahasôna, lohan’ny taranak’i Jodà.


Zanaka lahin’i Kaata: i Amrama, i Isaara, i Hebrôna ary i Oziela.


Ary hoy Andriamanitra tamin’i Môizy: «Miakara atỳ amin’i Iaveh ianao sy i Aarôna, i Nadaba sy i Abiò, ary loholona fitopolo amin’i Israely, ka mbola lavitra dia miankohofa.


Niakatra i Môizy, nomban’i Aarôna sy i Nadaba ary i Abiò mbamin’ny fitopolo lahy tamin’ny loholon’i Israely,


«Asaovy manatona anao i Aarôna rahalahinao, mbamin’ny zanany, ao amin’ny zanak’i Israely, mba ho mpisorona amin’ny fanompoana Ahy, dia i Aarôna, i Nadaba, i Abiò, i Eleazara, ary i Amôra, zanak’i Aarôna.


Dia hoy i Môizy tamin’i Aarôna sy tamin’ireo zanak’i Aarôna, roa lahy sisa, i Eleazara sy i Itamara: «Alao ny fanatitra sisa avy amin’ny sorona natao tamin’ny afo ho an’i Iaveh, ka hano tsy misy lalivay, eo akaikin’ny ôtely, fa zava-masina dia masina izany.


Hoy i Môizy tamin’i Aarôna sy i Eleazara ary i Itamara: «Aza avelanareo hirakaraka foana ny volon-dohanareo, ary aza triarinareo ny fanamianareo, fandrao dia maty ianareo, ary ho tratry ny hatezeran’i Iaveh ny fiangonana rehetra. Ny rahalahinareo sy ny taranak’i Israely rehetra no aoka hitomany noho izao fandoroana narehitr’i Iaveh izao.


ny amin’i Jodà: Nahasôna zanak’i Aminadaba;


Ny fanevan’ny tobin’i Jodà no hiorin-dasy eo anoloany eo amin’ny lafiny atsinanana mbamin’ny antokony avy. Ny filohan’ny taranak’i Jodà dia i Nahasôna zanak’i Aminadaba,


Alao i Aarôna sy i Eleazara zanany, ary ento miakatra any an-tendrombohitra Hora izy.


ka nony efa nalan’i Môizy ny fanamian’i Aarôna, dia natafiny an’i Eleazara zanany.


i Arama niteraka an’i Aminadaba; i Aminadaba niteraka an’i Naasôna; i Naasôna niteraka an’i Salmôna;


Tamin’ny andron’i Herôda mpanjakan’i Jodea, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria isan’ny fianakavian’i Abià, ary ny vadiny dia taranak’i Aarôna sy natao hoe Elizabeta.


Dia maty i Eleazara zanak’i Aarôna, ka nalevina tao Gabaà, tanànan’i Finea zanany, izay nomena azy ao amin’ny tendrombohitr’i Efraima.