Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 40:34 - Baiboly Katolika

Tamin’izay ny rahona nanarona ny trano lay fihaonana; ary ny voninahitr’i Iaveh nameno ny Fonenana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary nanarona ny tranolay fihaonana ny rahona, ary ny voninahitry NY TOMPO dia nameno ny tabernakely.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nandrakotra ny Tranolay fihaonana ny rahona, ka nanenika ilay fonena-masina ny voninahitry ny TOMPO;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nandrakotra ny Tranolay fihaonana ny rahona, ka nanenika ilay fonena-masina ny voninahitry ny TOMPO;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr’i Jehovah nameno ny tabernakely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr'i Jehovah nameno ny tabernakely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary nanarona ny tranolay fihaonana* ny rahona, ary ny voninahitry NY TOMPO dia nameno ny tabernakely*.

Jereo ny toko



Eksodosy 40:34
28 Rohy Ifampitohizana  

Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho, hatramin’ny nitondrako ny zanak’i Israely nivoaka avy tany Ejipta ka mandraka androany, fa izao nifindrafindra tamin-day sy tamin-tabernakla izao.


nony niray feo hankalaza sy hidera an’i Iaveh ireo nitsoka ny trômpetra sy ireo nihira, ka nampaneno ny feon’ny trômpetra aman-kipantsona mbamin’ny zava-maneno ka nankalaza an’i Iaveh amin’ny teny hoe: «Fa tsara Izy, fa maharitra mandrakizay ny famindram-pony», tamin’izay dia tonga feno rahona anankiray ny trano, dia ny tranon’i Iaveh.


Ka tsy afa-niditra tao an-tranon’i Iaveh ny mpisorona, fa feno ny voninahitr’i Iaveh ny tranony.


Tiako ny mitoetra ao an-tranonao, ry Iaveh ô, dia ny fitoerana ipetrahan’ny voninahitrao.


Ary tamin’ny fotoan’ny fiambenana maraina dia nitodika ny Ejiptianina i Iaveh tao amin’ny andry afo aman-tsetroka, dia nandatsaka fangorohoroana tao amin’ny tobin’ny Ejiptianina. Nataony nitsoaka tamin’ny kalesiny ny kodiarana ka saika tsy afa-nandroso intsony.


Mbola miteny amin’ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra eo i Aarôna, no nitodika ny efitra ireo, ka indro niseho teo amin’ny rahona ny voninahitr’i Iaveh.


Hanao fitoerana masina ho Ahy izy ireo dia honina eo aminy Aho.


Fa hihaona amin’ny zanak’i Israely eo Aho, ka ho voahasin’ny voninahitro izany fitoerana izany.


Raha vao tafiditra ao an-day i Môizy, ny andry rahona midina mijanona eo anoloan’ny trano lay, ary i Iaveh miresaka amin’i Môizy.


Fa izao no lazain’ny Avo Indrindra, izay mipetraka amin’ny fonenana mandrakizay sy antsoina hoe ilay Masina: Mitoetra eo amin’ny fitoerana avo sy masina Aho, ary koa ao amin’ny olona torotoro fo sy manetry tena am-panahy, mba hamelombelona ny fanahin’ny manetry tena, sy hamelombelona ny fon’ny torotoro fo.


Nihozongozona ny fanambanin’ny vavahady, noho ny feon’izay niantso mafy, ary tonga feno setroka ny trano.


Ary ny voninahitr’i Iaveh nisondrotra niala teo amin’ny Kerobima nankeo amin’ny tokonam-baravaran-trano; ka feno ilay rahona ny trano; ary feno ny famirapiratan’ny voninahitr’i Iaveh ny kianja.


Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Ilazao i Aarôna rahalahinao, mba tsy hiditra lalandava ao amin’ny fitoerana masina, anatin’ny efitra lamba, eo anoloan’ny fanaovam-panavotana izay eo ambonin’ny fiara, sao ho faty izy, satria miseho eo amin’ny rahona eo ambonin’ny fanaovam-panavotana Aho.


Hanozongozona ny firenena rehetra Aho ka ho tonga ny rakitry ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy i Iavehn’ny tafika.


Ho lehibe ny voninahitr’ity trano ity, ny voninahitra farany hihoatra ny voalohany; ary eto amin’ity fitoerana ity no hametrahako ny fiadanana, - teny marin’i Iavehn’ny tafika. -


Raha niditra tao an-trano lay fihaonana i Môizy, mba hiteny amin’i Iaveh, dia nandre feo niresaka taminy, avy ao amin’ny fanaovam-panavotana izay nipetraka teo ambonin’ny fiaran’ny vavolombelona, anelanelan’ny kerobima roa. Ary niteny taminy izy.


dia ireo Israelita, izay manana ny fananganan-janaka, sy ny voninahitra, sy ny fanekena, sy ny Lalàna, sy ny fombam-pivavahana, ary ny fampanantenana;


ka feno setroka avy amin’ny voninahitr’Andriamanitra sy ny heriny ny Tempoly; ary tsy nisy afa-niditra tao amin’ny Tempoly mandra-pahatapitry ny loza fito nentin’ny Anjely fito.


Ary inay nisy feo mahery reko avy ao amin’ny seza fiandrianana nanao hoe: «Indro ny tranolain’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Izy hiara-monina amin’izy ireo. Izy ireo moa ho vahoakany, ary Izy Andriamanitra mitoetra eny aminy kosa, ho Andriamanitr’izy ireo.