Eksodosy 40:10 - Baiboly Katolika Hanosotra ny ôtely fanaovan-tsorona dorana mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ianao, hanamasina ny ôtely, dia ho masina indrindra ny ôtely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanaka rehetra momba azy; hamasino ny alitara dia ho masina indrindra. DIEM PROTESTANTA Hohosoranao ilomasina koa ny alitara fisoronana sy ny fitaovana rehetra momba azy; izany no hanokananao azy mba ho voatokana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hohosoranao ilomasina koa ny alitara fisoronana sy ny fitaovana rehetra momba azy; izany no hanokananao azy mba ho voatokana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho masina indrindra izy. Malagasy Bible Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho masina indrindra izy. La Bible en Malgache Hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanaka rehetra momba azy; hamasino ny alitara dia ho masina indrindra. |
Hitoetra eo aminy ny Fanahin’i Iaveh, dia ny fanahin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina, fanahin’ny fifidianana amam-paherezana, fanahin’ny fahalalana amam-pahatahorana an’i Iaveh.
Ato amiko ny fanahin’i Iaveh, Tompo, satria voahosotr’i Iaveh aho; nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny mahantra, hamehy ny ferin’ireo torotoro fo; hampandre ny babo fa afaka sy ny ao an-tranomaizina fa alefa;
Nofafazany izany impito ny ôtely; nohosorany avokoa ny ôtely sy ny fanaka rehetra momba azy mbamin’ny tavy amam-paladiany, mba hahamasina azy.
«Ny Fanahy Masina, hoy ny Anjely namaly azy, no ho tonga ao aminao, ary ny herin’ny Avo indrindra hanaloka anao; noho izany dia hatao hoe Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.
Satria izay nirahin’Andriamanitra dia milaza ny tenin’Andriamanitra fa tsy misy fetrany no fanomen’Andriamanitra ny Fanahy.
Fa avy aminy no maha-ao amin’i Kristy Jesoa anareo, dia Ilay nataon’Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana ary fahamasinana amam-panavotana ho antsika,
Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!
Eny tokoa, dia mpisorom-be toy izao no sahaza antsika: masina, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, voaavaka amin’ny mpanota, voasandratra avo noho ny lanitra;