Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 40:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Hohosoranao ilomasina koa ny alitara fisoronana sy ny fitaovana rehetra momba azy; izany no hanokananao azy mba ho voatokana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanaka rehetra momba azy; hamasino ny alitara dia ho masina indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Hohosoranao ilomasina koa ny alitara fisoronana sy ny fitaovana rehetra momba azy; izany no hanokananao azy mba ho voatokana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Hanosotra ny ôtely fanaovan-tsorona dorana mbamin’ny fanaka rehetra momba azy ianao, hanamasina ny ôtely, dia ho masina indrindra ny ôtely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho masina indrindra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho masina indrindra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanaka rehetra momba azy; hamasino ny alitara dia ho masina indrindra.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 40:10
13 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa vita fanokanana ireo, dia ho voatokana ho Ahy tokoa, ka izay rehetra mikasika azy na olona na zavatra dia hiharan-doza.


Hohosoranao ilomasina koa ny kovetabe sy ny faladiany ka izany no hanokananao azy.


Ny Fanahin’ny TOMPO no mitoetra eo aminy, dia Fanahy manome fahendrena sy fahaiza-manavaka Fanahy mahay mamolavola sy manatanteraka, Fanahy ahalalana sy anajana ny TOMPO;


Ny Fanahin’ny Tompo ANDRIANANAHARY no ato amiko, satria efa nanosotra ahy ny TOMPO ka naniraka ahy mba hitory ny Vaovao Mahafaly amin’ny malahelo, hanasitrana ny olona torotoro fo, hanambara fanafahana ho an’ireo babo sy famoahana ireo gadra avy ao am-ponja,


Dia niteny tamin’i Mosesy indray ny TOMPO


Namafazany menaka impito teo ambonin’ny alitara ary nohosorany menaka avokoa ny alitara sy ny fanaka momba azy ary ny fitobian-drano boribory mbamin’ny tongony mba ho voatokana ho an’Andriamanitra.


Dia novalian’ny anjely hoe: –Ho tonga eo aminao ny Fanahy Masina, ka ny herin’ny Avo indrindra hanarona anao. Noho izany ilay Masina haterakao dia hantsoina hoe Zanak’Andriamanitra.


Ho azy ireo no anokanako tena aminao, mba ho voatokana ho Anao araka ny hafatra marim-pototra koa ireo.


Ilay nirahin’Andriamanitra manko no milaza ny tenin’Andriamanitra, satria tsy misy fetrany no anomezan’Andriamanitra Azy ny Fanahy Masina.


Fa nataon’Andriamanitra tafaray amin’i Kristy ianareo, ka dia i Kristy no fahendrena avy aminy ho antsika: i Kristy no andraisantsika ny fahamarinan’Andriamanitra ary anafahan’Andriamanitra antsika amin’ny fahotana.


Tsy mba nanota na oviana na oviana i Kristy, nefa ny otantsika dia nampitondrain’Andriamanitra Azy ho famonjena antsika, mba hahatonga antsika handray ny fahamarinana omen’Andriamanitra noho ny firaisana amin’i Kristy.


Eny, Mpisorombe natao ho antsika tokoa i Jesoa: masina, tsy misy faharatsiana na fahotana ao aminy, voasaraka tamin’ny mpanota ka nasandratra avo noho ny lanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra