Ny trano hataoko dia tsy maintsy ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.
Eksodosy 39:38 - Baiboly Katolika ny ôtely volamena, ny diloilo fanosorana, ny zava-manitra fanembohana, mbamin’ny varavarana lamba fidirana amin’ny trano lay, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ny alitara volamena, ny diloilo fanosorana, ny ditin-kazo mani-pofona, ny varavarana lamba ho eo amin’ny varavaran’ny tranolay, DIEM PROTESTANTA –ny alitara volamena, ny ilomasina fanokanana, ny vovo-javamanitra hodorana; –ny varavarana lamba eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –ny alitara volamena, ny ilomasina fanokanana, ny vovo-javamanitra hodorana; –ny varavarana lamba eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay; Baiboly Protestanta Malagasy ary ny alitara volamena sy ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona ary ny varavarana lamba ho eo amin’ny varavaran’ny trano-lay, Malagasy Bible ary ny alitara volamena sy ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo mani-pofona ary ny varavarana lamba ho eo amin'ny varavaran'ny trano-lay, La Bible en Malgache ny alitara volamena, ny diloilo fanosorana, ny ditin-kazo mani-pofona, ny varavarana lamba ho eo amin’ny varavaran’ny tranolay, |
Ny trano hataoko dia tsy maintsy ho lehibe, satria lehibe noho ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitray.
solika hatao amin’ny fanaovan-jiro, zava-manitra hatao amin’ny diloilo fanosorana sy amin’ny zava-manitra fanembohana;
Hopetahanao takela-bolamena madio ny tampony, ny lafiny manodidina, ny tandrony, ary hasianao koronosy volamena manodidina izy.
Eo no handoroan’i Aarôna ny emboka; isa-maraina no handoroany azy, rehefa mamboatra ny lalampy izy;
ny zava-manitra fandoro eo amin’ny fitoerana masina. Hotanterahiny avokoa izay rehetra nandidiako anao.»
diloilo hatao amin’ny fanaovan-jiro, zava-manitra hatao amin’ny diloilo fanosorana, sy ny zava-manitra fanembohana,
Dia nanao ny diloilo fanosorana masina izy, sy ny zava-manitra fanembohana, vita araka ny fahaizana momba ny fanaovan-java-manitra.
ny fanaovan-jiro volamena madio mbamin’ny lalampiny, dia ny lalampy halahatra eo aminy, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny diloilo hatao amin’ny jiro,
ny ôtely varahina, ny karakarany varahina, ny baony ary ny fanaka rehetra momba azy, ny tavy amam-paladiany, ny fefy lamban’ny kianja mbamin’ny andriny amam-paladiany,