Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 39:37 - Baiboly Katolika

37 ny fanaovan-jiro volamena madio mbamin’ny lalampiny, dia ny lalampy halahatra eo aminy, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny diloilo hatao amin’ny jiro,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

37 ny fitoeran-jiro volamena tsy miharo sy ireo jiro, dia ireo jiro izay halahatra eo aminy sy ny fanaka rehetra momba azy, ny diloilo hatao fanazavana,

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

37 –ny fitoeran-jiro miaraka amin’ireo jirony sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny solika fandrehitra;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

37 –ny fitoeran-jiro miaraka amin’ireo jirony sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny solika fandrehitra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

37 ary ny fanaovan-jiro tsara sy ny lela fanaovan-jirony, dia ny lela fanaovan-jiro halahatra, sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny diloilo hatao fanazavana,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

37 ary ny fanaovan-jiro tsara sy ny lela fanaovan-jirony, dia ny lela fanaovan-jiro halahatra, sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny diloilo hatao fanazavana,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

37 ny fitoeran-jiro volamena tsy miharo sy ireo jiro, dia ireo jiro izay halahatra eo aminy sy ny fanaka rehetra momba azy, ny diloilo hatao fanazavana,

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 39:37
9 Rohy Ifampitohizana  

«Hanao fanaovan-jiro amin’ny volamena madio ianao; hataonao an-tefiny avokoa izy mbamin’ny faladiany sy ny tahony, ary fonjany iray ihany ny ravim-boninkazo, ny bokony ary ny voniny,


«Omeo didy ny zanak’i Israely hitondra aminao diloilon’ôliva voatoto, hatao jiro hamelona ny lalampy lalandava.


Ao an-trano lay fihaonana, ivelan’ny efitra lamba anoloan’ny vavolombelona, no hanamboaran’i Aarôna sy ny zanany avy, hirehetany eo anatrehan’i Iaveh hatramin’ny hariva ka hatramin’ny maraina. Lalàna mandrakizay izany ho an’ny zanak’i Israely, hatramin’ny taranaka mifandimby.»


ny latabatra sy ny fanaka momba azy, mbamin’ny mofo halahatra,


ny ôtely volamena, ny diloilo fanosorana, ny zava-manitra fanembohana, mbamin’ny varavarana lamba fidirana amin’ny trano lay,


«Mitenena amin’i Aarôna, ka lazao aminy hoe: Rehefa mametraka ny lalampy eo amin’ny fanaovan-jiro ianao, dia ataovy manazava eo anoloan’ny fanaovan-jiro ny lalampy fito.»


Dia nataon’i Aarôna izany, napetrany eo amin’ny anoloan’ny fanaovan-jiro ny lalampy araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


mba ho madio tsy manan-tsiny, ary zanak’Andriamanitra tsy misy kiany ianareo eo afovoan’ny karazan’olona ratsy sy mafy fo, izay amirapiratan’ny tenanareo tahaka ny fahazavana amin’izao tontolo izao,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra