Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 39:37 - DIEM PROTESTANTA

37 –ny fitoeran-jiro miaraka amin’ireo jirony sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny solika fandrehitra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

37 ny fitoeran-jiro volamena tsy miharo sy ireo jiro, dia ireo jiro izay halahatra eo aminy sy ny fanaka rehetra momba azy, ny diloilo hatao fanazavana,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

37 –ny fitoeran-jiro miaraka amin’ireo jirony sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny solika fandrehitra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

37 ny fanaovan-jiro volamena madio mbamin’ny lalampiny, dia ny lalampy halahatra eo aminy, ary ny fanaka rehetra momba azy, sy ny diloilo hatao amin’ny jiro,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

37 ary ny fanaovan-jiro tsara sy ny lela fanaovan-jirony, dia ny lela fanaovan-jiro halahatra, sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny diloilo hatao fanazavana,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

37 ary ny fanaovan-jiro tsara sy ny lela fanaovan-jirony, dia ny lela fanaovan-jiro halahatra, sy ny fanaka rehetra momba azy ary ny diloilo hatao fanazavana,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

37 ny fitoeran-jiro volamena tsy miharo sy ireo jiro, dia ireo jiro izay halahatra eo aminy sy ny fanaka rehetra momba azy, ny diloilo hatao fanazavana,

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 39:37
9 Rohy Ifampitohizana  

«Hisy koa fitoeran-jiro volamena madio hamboarina; voasana no hanaovana azy, ka ny faladiany sy ny tahony, ny raviny sy ny bokony ary ny voniny dia hitambatra ho tena iray ihany.


«Ary ianao, ry Mosesy, mandidia ny Israelita hitondra aminao menaka ôliva tsara sy madio mba handrehetana ny jiro tsy tapaka.


I Aharôna sy ny taranany no hametraka ny fitoeran-jiro ao amin’ny Tranolay fihaonana, eo anoloan’ny efitra lamba izay manafina ny Vatamasina; ny jiro dia hirehitra manomboka ny hariva ka hatramin’ny maraina eo anatrehako Izaho TOMPO. Fepetra raikitra hotanterahin’ny Israelita isaky ny taranaka mifandimby izany.


–ny latabatra voatokana sy ny baony ary ny fitaovana rehetra miaraka aminy mbamin’ny mofo fanolotra ho an’Andriamanitra;


–ny alitara volamena, ny ilomasina fanokanana, ny vovo-javamanitra hodorana; –ny varavarana lamba eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay;


mba hanafatrafatra an’i Aharôna hoe: –Rehefa mandrehitra ny jiro fito ianao, dia ataovy izay hanazavany ny manoloana ny fitoeran-jiro.


Dia nataon’i Aharôna izany ka napetrany ny jiro fito mba hahazava ny manoloana ny fitoeran-jiro, araka ny nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.


mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia ho zanak’Andriamanitra tsy misy kilema eo afovoan’ny olo-meloka sady maditra. Eo afovoan’ireo olona ireo, dia tokony hamirapiratra toy ny kintana eny an’habakabaka ianareo,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra