39 ny ôtely varahina, ny karakarany varahina, ny baony ary ny fanaka rehetra momba azy, ny tavy amam-paladiany, ny fefy lamban’ny kianja mbamin’ny andriny amam-paladiany,
Nohamasinin’ny mpanjaka androtr’izay ihany ny afovoan’ny kianja eo anoloan’ny tranon’i Iaveh, fa teo no nanolorany ny sorona dorana, sy ny fanatitra ary ny saboran’ny sorom-pihavanana; satria kely loatra ny ôtely varahina eo anoloan’i Iaveh, ka tsy omby ny sorona dorana sy ny fanatitra ary ny saboran’ny sorom-pihavanana.
Ny natao tamin’ireo dia faladia eo amin’ny varavaran’ny trano lay fihaonana, ny ôtely varahina mbamin’ny karakara varahina sy ny fanaka rehetra momba ny ôtely, ny faladian’ny fefin’ny kianja sy ny faladian’ny vavahadin’ny kianja ary ny tsimatra rehetra amin’ny Fonenana sy ny tsimatra rehetra amin’ny fefin’ny kianja.
ny vavahady lamba fidirana amin’ny kianja, ny kofehiny, ny tsîmany, ary ny fanaka rehetra hoenti-manao fanompoam-pivavahana ao amin’ny Fonenana, amin’ny trano lay fihaonana,