ary tamin’ny taona faha-11, volana bola, izay volana fahavalo, vao vita izy amin’ny zavatra rehetra iforonany, araka ny mahamety azy. Tao anatin’ny fito taona no nanaovan’i Salômôna azy.
Eksodosy 39:32 - Baiboly Katolika Dia vita ny zavatra rehetra momba ny Fonenana, ny trano lay fihaonana; sady tanteraky ny zanak’i Israely araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy avokoa. Izany no nataony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia vita ny asa rehetra tamin’ny tabernakely, dia ny tranolay fihaonana, satria efa nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely. DIEM PROTESTANTA Vita ny asa rehetra momba ny fonena-masina na Tranolay fihaonana. Araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy no nanatanterahan’ny Israelita izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Vita ny asa rehetra momba ny fonena-masina na Tranolay fihaonana. Araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy no nanatanterahan’ny Israelita izany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary vita ny asa rehetra tamin’ny tabernakelin’ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak’Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian’i Jehovah an’i Mosesy. Malagasy Bible Ary vita ny asa rehetra tamin'ny tabernakelin'ny trano-lay fihaonana; fa ny Zanak'Isiraely efa nanao araka izay rehetra nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. La Bible en Malgache Dia vita ny asa rehetra tamin’ny tabernakely*, dia ny tranolay fihaonana*, satria efa nanatanteraka izay rehetra nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny Zanak’Israely. |
ary tamin’ny taona faha-11, volana bola, izay volana fahavalo, vao vita izy amin’ny zavatra rehetra iforonany, araka ny mahamety azy. Tao anatin’ny fito taona no nanaovan’i Salômôna azy.
Nanao ny vilany sy ny sotron’afo ary ny kapoaka i Hirama Ary vitan’i Hirama ny asa rehetra nataony ho an’i Salômôna mpanjaka, tao amin’ny tranon’i Iaveh:
«Izany rehetra izany», hoy i Davida, «ny asa rehetra amin’izany marika izany, dia nampahafantarin’i Iaveh ahy, tamin’ny soratra nosoratan’ny tanany, tonga atỳ amiko.»
Ary lasa nandeha ny zanak’i Israely ary nanantanteraka izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy sy i Aarôna; izany no nataony.»
dia ny trano lay fihaonana, ny fiaran’ny vavolombelona, ny fanaovam-panavotana eo amboniny, ny fanaka rehetra amin’ny trano lay;
Ribà jaky volomparasy no namehezana azy hametrahana azy amin’ny hamama avy ao ambony, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Natolotra an’i Môizy ny Fonenana, ny trano lay mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ny jaigrafiny, ny hazo fisany, ny barany; ny andriny, ny faladiany;
Rehefa hiditra ao an-trano lay fihaonana sy hanatona ny ôtely izy ireo, dia nisasa, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Ary ny anjara raharahany dia fiambenana ny fiara, ny latabatra, ny fanaovan-jiro, ny ôtely, ny fanaky ny fitoerana masina, izay fanaovana fanompoana, ny varavarana lamba mbamin’ny fanaovan-draharaha rehetra momba azy.
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»
izay nahatoky an’Ilay nanendry Azy, tahaka an’i Môizy tao amin’ny tranony rehetra koa.
ireo dia sary sy tandindon’ny any an-danitra fotsiny no fanompoana ataony, araka ny natoron’Andriamanitra an’i Môizy ilay efa hanao ny tranolay iny izy hoe: «Tandremo mba ho vita araka ny ohatra naseho anao tany an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.»
Fa hoy i Samoela: «Moa sitrak’i Iaveh tahaka ny fanekena ny tenin’i Iaveh va ny sorona dorana sy ny fanatitra? Tsara noho ny sorona ny fanekena, ary ny fanoavana noho ny saboran’ondralahy.