Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 12:28 - Baiboly Katolika

28 Ary lasa nandeha ny zanak’i Israely ary nanantanteraka izay nandidian’i Iaveh an’i Môizy sy i Aarôna; izany no nataony.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Ary nandeha ny Zanak’Israely ka nanatanteraka izany. Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy sy i Arona no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

28 Avy eo dia lasa izy ireo ka nanatanteraka araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy sy i Aharôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Avy eo dia lasa izy ireo ka nanatanteraka araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy sy i Aharôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Ary dia nandeha ny Zanak’Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian’i Jehovah an’i Mosesy sy Arona no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Ary dia nandeha ny Zanak'Isiraely ka nanao izany; araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy sy Arona no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

28 Ary nandeha ny Zanak’Israely ka nanatanteraka izany. Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy sy i Arona no nataony.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 12:28
23 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanao araka izany i Davida, araka ny nandidian’i Iaveh azy, ka nandresy ny Filistinina hatrany Gabea ka hatrany Gazera.


Dia niainga izy ary nanao araka ny tenin’i Iaveh, ka lasa nonina tao amin’ny ranon-driaka Karita, tandrifin’i Jordany.


Dia hovalinareo hoe: Izao no soron’ny Paka, fankalazana an’i Iaveh, fa nolalovany fotsiny ny tranon’ny zanak’i Israely tany Ejipta, fony namely an’i Ejipta, fa namonjy ny tranontsika kosa. Dia niondrika ny vahoaka ary niankohoka.


«Nony nisasaka ny alina dia novonoin’i Iaveh avokoa ny lahimatoa tany amin’ny tany Ejipta, hatramin’ny lahimatoan’i Faraôna mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany, ka hatramin’ny lahimatoan’ny babo izay tao amin’ny tranomaizina, ary ny lahy voalohan-teraky ny biby rehetra.


«Nanao araka ny voalazan’i Môizy taminy ny zanak’i Israely, fa nangataka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana tamin’ny Ejiptianina izy ireo.


Ary hohamafisiko ny fon’i Faraôna ka hanenjika azy izy. Nefa hataoko miseho miharihary ny voninahitro ao amin’i Faraôna sy ny tafiny rehetra, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Iaveh Aho. Dia nataon’i zanak’i Israely izany.


Koa i Beseleela sy i Oôliaba ary ny olo-mahay rehetra, izay nomen’i Iaveh fahaizana amam-pahakingana hahay manao ny taozavatra rehetra momba ny fanompoana eo amin’ny fitoerana masina no hamita azy araka izay rehetra nodidian’i Iaveh hanaovana azy.


Dia vita ny zavatra rehetra momba ny Fonenana, ny trano lay fihaonana; sady tanteraky ny zanak’i Israely araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy avokoa. Izany no nataony.


Vitan’ny zanak’i Israely izany asa rehetra izany, araka izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Nodinihin’i Môizy ny zava-nataony rehetra, ka hitany fa tanterany tokoa, vitany araka ny nandidian’i Iaveh. Ka dia nitso-drano azy ireo i Môizy.


Dia nankany amin’i Faraôna i Môizy sy i Aarôna, nataony avokoa izay nandidian’i Iaveh azy ireo. Natsipin’i Aarôna ny tehiny teo anoloan’i Faraôna sy ny mpanompony, ka nanjary bibilava.


Dia nataon’i Môizy sy i Aarôna izay nandidian’i Iaveh azy; izany no nataony.


Nony voalazan’i Môizy tamin’ny zanak’i Israely izany, dia navoakan’izy ireo ilay mpanevateva, ka notorahany vato. Notanterahin’ny zanak’i Israely ny didy nomen’i Iaveh an’i Môizy.


Dia notanterahin’ny zanak’i Israely avokoa izay rehetra nandidian’i Iaveh an’i Môizy; nataony izany.


Dia nataon’i Môizy sy i Eleazara mpisorona izany, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Dia nomen’i Môizy an’i Eleazara mpisorona ny anjara natokana ho an’i Iaveh, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Nangalan’i Môizy iray isan-dimampolo io antsasany an’ny zanak’i Israely io, ka nomeny ny Levita izay miambina ny Fonenan’i Iaveh araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Dia nataon’ny zanak’i Israely izany, ka navoakany any ivelan’ny toby ireny: araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy no nataon’ny zanak’i Israely.»


Ary i Jôsoe, zanak’i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan’i Môizy tanana izy, ka nanoa azy ny zanak’i Israely sy nanao araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.


Ny finoana no nanaovany ny Paka sy ny famafazan-dra mba tsy ho tratr’ilay nandringana ny lahy matoa, ny zanak’i Israely.


Nanatanteraka ny didy nomen’i Iaveh an’i Môizy ny zanak’i Israely, ka nizara ny tany izy.


Hoy ny navaliny azy: «Aoka ho araka ny teninareo.» Dia nalefany izy roa lahy ka nandeha, ary nafehiny teo amin’ny varavarankely ilay kofehy mena mangatrakatraka.


Notanterahin’ny zanak’i Israely ny didin’i Jôsoe, dia naka vato roa ambin’ny folo teo afovoan’i Jordany, araka ny isan’ny fokon’i Israely, nentiny teo amin’ny fitoerana tsy maintsy handriany amin’ny alina dia napetrany teo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra