Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hebreo 8:5 - Baiboly Katolika

5 ireo dia sary sy tandindon’ny any an-danitra fotsiny no fanompoana ataony, araka ny natoron’Andriamanitra an’i Môizy ilay efa hanao ny tranolay iny izy hoe: «Tandremo mba ho vita araka ny ohatra naseho anao tany an-tendrombohitra ny zavatra rehetra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin’izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron’Andriamanitra an’i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: «Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra» (Eks 25.40).

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

5 Ny fanompoam-pivavahana ataon’ireo mpisorona ireo dia sarintsary sy tandindon’ny ao an-danitra fotsiny; tahaka ny natoron’Andriamanitra tamin’i Mosesy ihany izany, fa nony efa hanao ny tranolay izy dia nilazan’Andriamanitra hoe: «Tandremo mba ho araka ny ohatra nasehoko anao tany an-tendrombohitra no hanaovanao ny zavatra rehetra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ny fanompoam-pivavahana ataon’ireo mpisorona ireo dia sarintsary sy tandindon’ny ao an-danitra fotsiny; tahaka ny natoron’Andriamanitra tamin’i Mosesy ihany izany, fa nony efa hanao ny tranolay izy dia nilazan’Andriamanitra hoe: «Tandremo mba ho araka ny ohatra nasehoko anao tany an-tendrombohitra no hanaovanao ny zavatra rehetra.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin’izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron’Andriamanitra an’i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: ,,Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra’’ (Eks. 25.40).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin'izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron'Andriamanitra an'i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: "Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra" (Eks. 25.40).

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 dia ireo manao fanompoam-pivavahana amin’izay endrika sy aloky ny zavatra any an-danitra, tahaka ny natoron’Andriamanitra an’i Mosesy, rehefa hanao ny tabernakely izy; fa hoy Izy: «Tandremo mba hataonao araka ny endrika izay naseho taminao tao an-tendrombohitra ny zavatra rehetra» (Eks 25.40).

Jereo ny toko dika mitovy




Hebreo 8:5
18 Rohy Ifampitohizana  

mbamin’ny marika rehetra izay efa tao an-tsainy, momba ny kianjan’ny tranon’i Iaveh sy ny efitra rehetra amin’ny manodidina, ho an’ny rakitry ny tranon’Andriamanitra sy ny rakitry ny fitoerana masina,


«Izany rehetra izany», hoy i Davida, «ny asa rehetra amin’izany marika izany, dia nampahafantarin’i Iaveh ahy, tamin’ny soratra nosoratan’ny tanany, tonga atỳ amiko.»


Jereo ka ataovy araka ny marika aseho anao ao an-tendrombohitra.»


Ary harahinareo tsara izay rehetra hasehoko anareo, ny mariky ny tabernakla sy ny mariky ny fanaka rehetra momba azy.»


Ataovy toy ny marika naseho anao tany an-tendrombohitra no fananganana ny Fonenana.»


Ataovy hoboka aty, amin’ny hazo fisaka, izy: araka ny efa naseho anao tany an-tendrombohitra no hanaovana azy.»


Ny fanaovan-jiro, dia volamena tefy manta avokoa, hatramin’ny faladiany ka hatramin’ny voniny. Môdely nasehon’i Iaveh an’i Môizy no nanaovany azy


Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’i Herôda, dia lalan-kafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany.


Ny tranolain’ny fanekena dia tao amin’ny razantsika tany an’efitra, araka ny didin’Ilay nilaza tamin’i Môizy hanao azy araka ny marika efa hitany.


satria aloky ny zavatra ho avy fotsiny ireny, fa ao amin’i Kristy ny tena zavatra.


Ny Lalàna moa dia tsy misy afa-tsy aloky ny soa ho avy, fa tsy ny tena endri-javatra, ka ireny sorona tsy niova sy fanatitra isan-taona ireny dia tsy nahalavorariany izay olona nanatona velively akory.


Ny finoana no nandrafetan’i Nôe ny sambo fiara hamonjena ny fianakaviany, fa natahotra izy nony efa nilazan’Andriamanitra ny zavatra mbola tsy hita; ary izany no nanamelohany an’izao tontolo izao sy nahatongavany ho mpandova ny fahamarinana izay azo amin’ny finoana.


Tandremo fandrao mandà izay miteny ianareo; fa na ry zareo nandà izay niteny teto an-tany aza tsy afa-nandositra, ka mainka isika raha mandà Ilay miteny amintsika avy any an-danitra,


Manana ôtely tsy azon’ny mpivavaka ao an-tranolay ihinanana isika.


Ary fanoharana tandrifin’ny andro ankehitriny izany, izay manambara fa ny fanatitra aman-tsorona natolotra fahizàny, dia tsy nahalavorary izay nanolotra azy, raha ny ao am-po no heverina.


Ary hoy izahay: Raha avy izay hilazany amintsika na amin’ny taranatsika indray andro any, dia izao no havalintsika azy: Jereo ny endriky ny ôtelin’i Iaveh naorin’ny razanay, tsy hanaterana sorona, fa ho vavolombelona ho anay sy ianareo.


Taorian’izany, indro hitako novohaina ny Tempoly nisy tranolain’ny fanambaràna tany an-danitra,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra