Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 38:23 - Baiboly Katolika

ary ny nanampy azy dia i Oôliaba, zanak’i Akisameka, amin’ny fokon’i Dana, mahay manao sary sokirina, mamorona fomban-taozavatra vaovao, manao tenona misoratsoratra amin’ny jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ny namany dia i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana, mpanao sokitra sy asa kanto ary mpanenona kinga sady mahay tenona samihafa soratra tamin’ny lamba manga, ny volomparasy, ny jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

I Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka avy amin’ny fokon’i Dana, izay mpandidy vatosoa sy mpanao sary ary mpanao peta-kofehy amin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky sady mpanao peta-kofehy amin’ny kiran-drongony, no nanampy azy tamin’izany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

I Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka avy amin’ny fokon’i Dana, izay mpandidy vatosoa sy mpanao sary ary mpanao peta-kofehy amin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky sady mpanao peta-kofehy amin’ny kiran-drongony, no nanampy azy tamin’izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary ny namany dia Oholiaba, zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny firenen’i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin’ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary ny namany dia Oholiaba, zanak'i Ahisamaka, avy amin'ny firenen'i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin'ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ny namany dia i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka, avy amin’ny fokon’i Dana, mpanao sokitra sy asa kanto ary mpanenona kinga sady mahay tenona samihafa soratra tamin’ny lamba manga, ny volomparasy, ny jaky ary ny lamba rongony fotsy madinika.

Jereo ny toko



Eksodosy 38:23
6 Rohy Ifampitohizana  

jaky volomparasy, jaky mena mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika sy volon’osy;


«Ny fidirana ao amin’ny lay, dia anaovy efitra lamba amin’ny jaky volomparasy sy jaky mangatrakatraka sy lamba mena antitra ary rongony fotsy madinika voahasina, voatenona amin’ny soratra maro samihafa.


«Aoka ho fantatrao fa efa nantsoiko tamin’ny anarany i Beseleela, zanak’i Orì, zanak’i Hora, avy amin’ny fokon’i Jodà.


Ary indro nanampiko azy koa i Oôliaba, zanak’i Akisemeka, avy amin’ny fokon’i Dana, ary efa nasiako fahendrena ny fon’ny lehilahy mahay rehetra, mba hanaovany an’izay rehetra nandidiako anao,


Efa nataon’Andriamanitra ao am-pony koa ny fahaiza-mampianatra; ary toy izany no nataony tamin’i Oôliaba, zanak’i Akisameka, amin’ny fokon’i Dana.


Koa i Beseleela sy i Oôliaba ary ny olo-mahay rehetra, izay nomen’i Iaveh fahaizana amam-pahakingana hahay manao ny taozavatra rehetra momba ny fanompoana eo amin’ny fitoerana masina no hamita azy araka izay rehetra nodidian’i Iaveh hanaovana azy.