Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 35:34 - Baiboly Katolika

34 Efa nataon’Andriamanitra ao am-pony koa ny fahaiza-mampianatra; ary toy izany no nataony tamin’i Oôliaba, zanak’i Akisameka, amin’ny fokon’i Dana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

34 Ny fahaizana mampianatra koa dia efa nataon’Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy i Oholiaba, zanak’i Ahisamaka avy amin’ny fokon’i Dana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

34 Nomen’ny TOMPO azy ny fahaiza-mampianatra, tahaka izay nomeny an’i Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka, avy amin’ny fokon’i Dana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

34 Nomen’ny TOMPO azy ny fahaiza-mampianatra, tahaka izay nomeny an’i Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka, avy amin’ny fokon’i Dana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

34 Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon’Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak’i Ahisamaka avy amin’ny firenen’i Dana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

34 Ary ny fahaizana hampianatra koa dia efa nataon'Andriamanitra tao am-pony, dia izy sy Oholiaba, zanak'i Ahisamaka avy amin'ny firenen'i Dana.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 35:34
10 Rohy Ifampitohizana  

Ary ankehitriny ny varimbazaha sy ny orja, mbamin’ny diloilo aman-divay, voalazan’ny tompoko, dia aoka hampitondrainy ny mpanompony.


Nandraikitra ny fony amin’ny fianaran’ny lalàn’i Iaveh i Esdrasa, ary nanaraka azy, ary nampianatra an’i Israely ny lalàna amam-pitsipika.


«Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitry ny razantsika izay nanome hevitra ny fon’ny mpanjaka mba hanome voninahitra ny tranon’i Iaveh ao Jerosalema toy izany,


nifoha tamin’ny alina aho, nomban’olona vitsivitsy. Tsy nilaza tamin’olona izay natoron’Andriamanitra tao am-poko hatao ho an’i Jerosalema aho. Tsy nitondra biby manompo aho afa-tsy ilay nitaingenako ihany.


Ary indro nanampiko azy koa i Oôliaba, zanak’i Akisemeka, avy amin’ny fokon’i Dana, ary efa nasiako fahendrena ny fon’ny lehilahy mahay rehetra, mba hanaovany an’izay rehetra nandidiako anao,


ny misokitra vato halatsaka an-tranontranony, ny mandrafitra hazo ary ny mahavita ny asa samihafa rehetra ilam-pahaizana.


Samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy, mba hahasoa ny be sy ny maro.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra