Nony mby tany izy niditra tao anaty zohy, dia nandry tao. Ary indro tonga taminy ny tenin’i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Maninona atỳ ianao, ry Elia?»
Eksodosy 33:22 - Baiboly Katolika ary rehefa mandalo ny voninahitro, hataoko ao an-tsefatsefa-bato ianao, dia hosaronako amin’ny tanako mandra-pandaloko; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 koa rehefa mandalo ny voninahitro dia hataoko eo an-tsefaky ny harambato ianao ka hosaronako ny tanako mandra-pandaloko. DIEM PROTESTANTA Rehefa mandalo mamirapiratry ny voninahitro Aho, dia hafeniko eo an-tsefatsefaky ny harambato ianao, ary hosaronako amin’ny tanako mandra-pandaloko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa mandalo mamirapiratry ny voninahitro Aho, dia hafeniko eo an-tsefatsefaky ny harambato ianao, ary hosaronako amin’ny tanako mandra-pandaloko. Baiboly Protestanta Malagasy koa raha mandalo ny voninahitro, dia hataoko eo an-tsefaky ny harambato hianao, ka hosaronako ny tànako hianao mandra-pandaloko. Malagasy Bible koa raha mandalo ny voninahitro, dia hataoko eo an-tsefaky ny harambato ianao, ka hosaronako ny tanako ianao mandra-pandaloko. La Bible en Malgache koa rehefa mandalo ny voninahitro dia hataoko eo an-tsefaky ny harambato ianao ka hosaronako ny tanako mandra-pandaloko. |
Nony mby tany izy niditra tao anaty zohy, dia nandry tao. Ary indro tonga taminy ny tenin’i Iaveh ka nanao taminy hoe: «Maninona atỳ ianao, ry Elia?»
Izay mialoka eo ambany fiarovan’ny Avo Indrindra, miala sasatra eo amin’ny aloky ny Tsitoha.
Hanarona anao amin’ny elany Izy, ary hahita fialofana ao ambany volon’elany, ianao. Ampinga sy fiarovan-tratra ny fahamarinany.
Toy ny foto-pôma any afovoan’ny hazo any an’ala, ny malalako eo amin’ny zazalahy. Niriko ny hipetraka eo ambanin’ny alokalony, ary mamy ao am-bavako ny voany.
izy kosa handositra ho any an-dava-bato, sy any an-tsefatsefaky ny haram-bato, eo anatrehan’ny tahotra avy amin’i Iaveh, sy ny famirapiratry ny fiandrianany, rehefa hitsangana hampangovitra ny tany Izy.
Ka izy ireo dia samy ho fiarovana amin’ny rivotra; ho fialofana amin’ny ranonoram-baratra; tahaka ny ranovelona amin’ny tany karankaina; tahaka ny alo-batolampy eo amin’ny tany foana.
Nataony sabatra maranitra ny lelako; nalofany tamin’ny aloky ny tanany aho; nataony zana-tsipìka maranitra aho, nafeniny teo amin’ny tranon-jana-tsipìkany.
Nataoko tao am-bavanao ny teniko, ary noalofako tamin’ny aloky ny tanako ianao, mba hamboly lanitra sy hanorina tany, ary hilaza amin’i Siôna hoe: «Vahoakako ianao!»
ary fisotro ara-panahy iray ihany no nosotroin’izy rehetra, satria nisotro tamin’ny vatolampy ara-panahy izay nanaraka Azy izy ireo, ary i Kristy izany vatolampy izany.
satria Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ka tsy nitana ny fahotan’ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay.
Ny amin’i Benjamina dia hoy izy: «Malalan’i Iaveh izy, ka handry feizay monina eo akaikiny; arovan’i Iaveh lalandava izy, mipetraka eo anelanelan’ny sorony».