Handrendrika masom-bolamena efatra hatao aminy ianao, hapetaka amin’ny tongony efatra; ny masom-bolamena roa amin’ny lafiny iray, ny masom-bolamena roa amin’ny lafiny iray.
Eksodosy 30:4 - Baiboly Katolika Hanaovanao masom-bolamena roa izy eo ambanin’ilay koronosy eo amin’ny rirany roa, hataonao amin’ny laniny roa, hidiran’ny bao hitondrana azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Asio mason-drojo volamena roa eo ambanin’ny sisiny ka ataovy eo amin’ny sisiny roa ireo; amin’ny ilany roa no hanaovanao azy ka ho fitoeran’ny bao hilanjana azy ireo. DIEM PROTESTANTA Hisy haba volamena roa avy hapetraka eo ambonin’ny sisiny an-daniny roa amin’ny alitara, ka hampidirana bao mba hilanjana azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hisy haba volamena roa avy hapetraka eo ambonin’ny sisiny an-daniny roa amin’ny alitara, ka hampidirana bao mba hilanjana azy. Baiboly Protestanta Malagasy Ary asio vava volamena roa izy eo ambanin’ny koronosiny, ka ataovy eo amin’ny zorony efatra ireo; ary ho fitoeran’ny bao ireo hilanjana azy. Malagasy Bible Ary asio vava volamena roa izy eo ambanin'ny koronosiny, ka ataovy eo amin'ny zorony efatra ireo; ary ho fitoeran'ny bao ireo hilanjana azy. La Bible en Malgache Asio mason-drojo volamena roa eo ambanin’ny sisiny ka ataovy eo amin’ny sisiny roa ireo; amin’ny ilany roa no hanaovanao azy ka ho fitoeran’ny bao hilanjana azy ireo. |
Handrendrika masom-bolamena efatra hatao aminy ianao, hapetaka amin’ny tongony efatra; ny masom-bolamena roa amin’ny lafiny iray, ny masom-bolamena roa amin’ny lafiny iray.
dia hampiditra ny bao amin’ny masom-bolamena eo an-danin’ny fiara avy, hitondrana azy.
Hataonao eo akaikin’ny sisiny ny masom-bolamena, fa hampidirana ny bao hilanjana ny latabatra.
Petaho takela-bolamena ny hazo fisaka; ataovy volamena ny masom-bola hitoeran’ny barany, ary petaho takela-bolamena ny barany.
Ary manaova karakara varahina miendri-karato ho an’ny ôtely ka asio masom-barahina efatra ny zorony efatra amin’io harato io,
Hampidirina eo amin’ny masom-barahina ny bao, eo an-daniny roa amin’ny ôtely, rehefa hoenti-mifindra izy.
Hopetahanao takela-bolamena madio ny tampony, ny lafiny manodidina, ny tandrony, ary hasianao koronosy volamena manodidina izy.