jaky volomparasy, jaky mena mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika sy volon’osy;
Eksodosy 28:6 - Baiboly Katolika «Ny efôda dia hataony amin’ny volamena, jaky volomparasy, jaky mangatrakatraka, lamba mena antitra, ary rongony madinika voahasina, ampifahoina amin’ny tenona lavorary. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia aoka izy hanao ny efoda amin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika, asan’ny mpanenona mahay. DIEM PROTESTANTA «Mpahay taozavatra no hanao ny efôda amin’ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ka asiana peta-kofehy volamena. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Mpahay taozavatra no hanao ny efôda amin’ny kiran-drongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ka asiana peta-kofehy volamena. Baiboly Protestanta Malagasy Dia aoka izy hanao ny efoda amin’ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ny mpanenona mahay. Malagasy Bible Dia aoka izy hanao ny efoda amin'ny volamena sy manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mpanenona mahay. La Bible en Malgache Dia aoka izy hanao ny efoda* amin’ny volamena, lamba manga, volomparasy, jaky ary lamba rongony fotsy madinika, asan’ny mpanenona mahay. |
jaky volomparasy, jaky mena mangatrakatraka, lamba mena antitra, rongony madinika sy volon’osy;
vatosoa berila sy vatosoa fandatsaka an-tranontranony, hatao amin’ny efôda sy ny saron-tratra.
«Ny hanaovana ny Fonenana dia ambainy folo; ny hanaovana azy ireo dia amin’ny rongony madinika voahasina, sy amin’ny jaky volomparasy, amin’ny kajy mangatrakatraka, ary amin’ny lamba mena antitra, asiana kerobima, asan-tanan’ny mpanenona mahay.
Raha efa izany alao ireo fanamiana, ka ampiankanjoy an’i Aarôna ny akanjo anatiny, ny akanjo lavan’ny efôda, ary ny efôda sy ny saron-tratra, dia etrao amin’ny fehikibon’ny efôda izy.
Fa mandritra ny andro maro ny zanak’i Israely no hitoetra tsy mana-mpanjaka, tsy mana-mpanapaka, tsy manan-tsorona, tsy manan-tsangam-bato, tsy manana efôda ary tsy manan-terafima.
Ary i Aarôna nampiakanjoiny ny akanjo anatiny, noetràny ny fehikibo, nampiakanjoiny ny akanjo lava, nosalorany ny efôda izay nogiaziny tamin’ny fehin’efôda, ary nafatony teo aminy.
Nanaovan’i Jedeôna efôda izany volamena izany, dia napetrany ao an-tanànany ao Efrà, ka nankany avokoa i Israely rehetra nitolo-tena teo amin’izany Efôda izany, ary tonga fandrika ho an’i Jedeôna sy ny ankohonany izany.
Fony i Abiatara zanak’i Akimeleka nandositra tany amin’i Davida any Keilà, dia nidina izy nitondra ny efôda eo an-tanany.
Hoy i Davida tamin’i Abiatara mpisorona zanak’i Akimeleka: «Ento atỳ amiko ny efôda». Dia nentin’i Abiatara teo amin’i Davida ny efôda;