Hisy lahiny roa avy, amin’ny hazo fisaka iray, ka hatao izay hifandraisany; ka hataonao toy izany avokoa ny hazo fisaka amin’ny Fonenana.
Eksodosy 26:19 - Baiboly Katolika Hasianao faladia volafotsy efapolo ny fanambanin’ireo hazo fisaka roapolo ireo, dia faladia roa isan-kazo fisaka izany, no an’ny lafiny roa avy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Manaova koa faladia volafotsy efapolo ho eo ambanin’ny hazofisaka roapolo, faladia roa avy ho ambanin’ny hazofisaka tsirairay hiorenan’ny lahiny roa. DIEM PROTESTANTA ary hasiana faladia volafotsy efapolo hitondra azy; ka isaky ny hazo fisaka dia faladiany roa avy, izay mifanandrify amin’ny lahiny roa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ary hasiana faladia volafotsy efapolo hitondra azy; ka isaky ny hazo fisaka dia faladiany roa avy, izay mifanandrify amin’ny lahiny roa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary manaova faladia volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin’ny isan-janakazo iray hiorenan’ny lahiny roa. Malagasy Bible Ary manaova faladia volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray hiorenan'ny lahiny roa. La Bible en Malgache Manaova koa faladia volafotsy efapolo ho eo ambanin’ny hazofisaka roapolo, faladia roa avy ho ambanin’ny hazofisaka tsirairay hiorenan’ny lahiny roa. |
Hisy lahiny roa avy, amin’ny hazo fisaka iray, ka hatao izay hifandraisany; ka hataonao toy izany avokoa ny hazo fisaka amin’ny Fonenana.
Hanao ny hazo fisaka hatao amin’ny Fonenana ianao; hazo fisaka roapolo ho an’ny lafiny atsimo, ankavanana izany.
Ny lafiny anankiray amin’ny Fonenana dia ny lafiny avaratra, hanaovanao hazo fisaka roapolo koa,
Dia ho hazo fisaka valo izy izany mbamin’ny faladiany volafotsy, faladia enina ambin’ny folo, faladia roa avy isam-panambanin’ny hazo fisaka iray.
Hanaovanao andry akasià dimy io varavarana lamba io, ka petahanao takela-bolamena ny andry sy asianao faraingo volamena; ary handrendrika varahina hatao faladiany dimy ianao.»
Hasianao andriny roapolo misy faladia varahina roapolo io lafiny iray io, ka hatao volafotsy avokoa ny faraingo amin’ny andriny sy ny anjaka hitohizany.
Ny volafotsy talenta zato narendrika nanaovana ny faladian’ny fitoerana masina sy ny faladian’ny efitra lamba, faladia zato araka ny talenta, talenta iray isam-paladia.
Natsangan’i Môizy ny Fonenana; naorina ny faladiany, nalahany ny hazo fisany mbamin’ny barany, dia natsangany ny andriny.
Ny ranjony andry vatosanga, miorina amin’ny faladia volamena madio. Ny tarehiny tahaka an’i Libàna, bikana toy ny hazo sedera.
Napetraka tamin’ny zanaka lahin’i Merarỳ ny fitandremana amam-pikarakarana ny hazo fisaka amin’ny Fonenana, ny barany, ny andriny mbamin’ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy, mbamin’ny zavatra rehetra ilaina aminy,