Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 26:25 - Baiboly Katolika

25 Dia ho hazo fisaka valo izy izany mbamin’ny faladiany volafotsy, faladia enina ambin’ny folo, faladia roa avy isam-panambanin’ny hazo fisaka iray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Aoka hisy hazofisaka valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina amby folo: Faladia roa avy ho ambanin’ny hazofisaka tsirairay.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

25 Koa ny lafiny ivohon’ny fonena-masina izany dia hisy hazo fisaka valo sy faladiany volafotsy 16, ka faladia roa avy isaky ny hazo fisaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Koa ny lafiny ivohon’ny fonena-masina izany dia hisy hazo fisaka valo sy faladiany volafotsy 16, ka faladia roa avy isaky ny hazo fisaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary aoka hisy zanakazo valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin’ny folo: faladia roa avy ho ambanin’ny isan-janakazo iray.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary aoka hisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin'ny folo: faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Aoka hisy hazofisaka valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina amby folo: Faladia roa avy ho ambanin’ny hazofisaka tsirairay.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 26:25
5 Rohy Ifampitohizana  

Hasianao faladia volafotsy efapolo ny fanambanin’ireo hazo fisaka roapolo ireo, dia faladia roa isan-kazo fisaka izany, no an’ny lafiny roa avy.


dia hikambana tsiroaroa hatrany ambany ireo, ka hatao miray tsara hatrany ambony amin’ny masom-bola voalohany. Toy izany no hanaovana azy roa avy; hatao amin’ny zorony roa.


Hanao barany akasià ianao; ny dimy hatao amin’ny hazo fisaka amin’ny lafiny anankiray amin’ny Fonenana.


Ary nisy koa hazo fisaka valo samy nanana ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin’ny folo, faladia roa avy, ambanin’ny isan-kazo fisaka.


Ny volafotsy talenta zato narendrika nanaovana ny faladian’ny fitoerana masina sy ny faladian’ny efitra lamba, faladia zato araka ny talenta, talenta iray isam-paladia.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra