Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 26:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Koa ny lafiny ivohon’ny fonena-masina izany dia hisy hazo fisaka valo sy faladiany volafotsy 16, ka faladia roa avy isaky ny hazo fisaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Aoka hisy hazofisaka valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina amby folo: Faladia roa avy ho ambanin’ny hazofisaka tsirairay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Koa ny lafiny ivohon’ny fonena-masina izany dia hisy hazo fisaka valo sy faladiany volafotsy 16, ka faladia roa avy isaky ny hazo fisaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Dia ho hazo fisaka valo izy izany mbamin’ny faladiany volafotsy, faladia enina ambin’ny folo, faladia roa avy isam-panambanin’ny hazo fisaka iray.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Ary aoka hisy zanakazo valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin’ny folo: faladia roa avy ho ambanin’ny isan-janakazo iray.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Ary aoka hisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin'ny folo: faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Aoka hisy hazofisaka valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina amby folo: Faladia roa avy ho ambanin’ny hazofisaka tsirairay.

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 26:25
5 Rohy Ifampitohizana  

ary hasiana faladia volafotsy efapolo hitondra azy; ka isaky ny hazo fisaka dia faladiany roa avy, izay mifanandrify amin’ny lahiny roa.


Ireo hazo fisaka roa ireo dia hisy elanelany ara-dalàna eo amin’ny fotony, fa hifanatona tsikelikely, ka hikambana eo amin’ny haba iray any an-dohany. Hatao mitovy izy roa ho hazo fisaka eo amin’ny zorony.


«Hanamboarana bara mimôzà ireo hazo fisaka ireo, ka barany dimy hihazona ny hazo fisaka amin’ny lafiny iray amin’ny fonena-masina;


Koa ny lafiny ivohon’ny fonena-masina dia nisy hazo fisaka valo sy faladiany volafotsy 16, ka faladia roa avy isaky ny hazo fisaka.


Ny 3 000 kilao dia narendrika nanaovana ny faladia zato ho an’ireo andrin’ny Toeramasina sy ny efitra lamba anatiny, izany hoe telopolo kilao isaky ny faladia iray.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra