Eksodosy 26:24 - DIEM PROTESTANTA24 Ireo hazo fisaka roa ireo dia hisy elanelany ara-dalàna eo amin’ny fotony, fa hifanatona tsikelikely, ka hikambana eo amin’ny haba iray any an-dohany. Hatao mitovy izy roa ho hazo fisaka eo amin’ny zorony. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201124 Hakambana ho iray hatrany ambany izy ka hiray tsara hatrany an-tampony, eo amin’ny mason-drojo tokana; ho toy izany avokoa izy roa izay ho eo amin’ny zorony roa. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara24 Ireo hazo fisaka roa ireo dia hisy elanelany ara-dalàna eo amin’ny fotony, fa hifanatona tsikelikely, ka hikambana eo amin’ny haba iray any an-dohany. Hatao mitovy izy roa ho hazo fisaka eo amin’ny zorony. Jereo ny tokoBaiboly Katolika24 dia hikambana tsiroaroa hatrany ambany ireo, ka hatao miray tsara hatrany ambony amin’ny masom-bola voalohany. Toy izany no hanaovana azy roa avy; hatao amin’ny zorony roa. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy24 Ary hakambana ho iray izy hatramin’ny ambany ka hatramin’ny ambony, ka hasianao vava vola iray ihany: ho toy izany avokoa izy roa; eo amin’ny zorony roa no hisy izany. Jereo ny tokoMalagasy Bible24 Ary hakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambony, ka hasianao vava vola iray ihany: ho toy izany avokoa izy roa; eo amin'ny zorony roa no hisy izany. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache24 Hakambana ho iray hatrany ambany izy ka hiray tsara hatrany an-tampony, eo amin’ny mason-drojo tokana; ho toy izany avokoa izy roa izay ho eo amin’ny zorony roa. Jereo ny toko |