Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Eksodosy 26:26 - DIEM PROTESTANTA

26 «Hanamboarana bara mimôzà ireo hazo fisaka ireo, ka barany dimy hihazona ny hazo fisaka amin’ny lafiny iray amin’ny fonena-masina;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Manaova koa barany amin’ny hazo akasia; dimy ho amin’ireo hazofisaka amin’ny lafiny iray amin’ny tabernakely,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 «Hanamboarana bara mimôzà ireo hazo fisaka ireo, ka barany dimy hihazona ny hazo fisaka amin’ny lafiny iray amin’ny fonena-masina;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Hanao barany akasià ianao; ny dimy hatao amin’ny hazo fisaka amin’ny lafiny anankiray amin’ny Fonenana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ary manaova barany hazo akasia: dia dimy ho amin’ny zanakazo amin’ny lafiny iray amin’ny tabernakely,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ary manaova barany hazo akasia: dia dimy ho amin'ny zana-kazo amin'ny lafiny iray amin'ny tabernakely,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 Manaova koa barany amin’ny hazo akasia; dimy ho amin’ireo hazofisaka amin’ny lafiny iray amin’ny tabernakely,

Jereo ny toko dika mitovy




Eksodosy 26:26
11 Rohy Ifampitohizana  

hoditr’ondry miloko mena, hoditra mafy, hazo mimôza,


Koa ny lafiny ivohon’ny fonena-masina izany dia hisy hazo fisaka valo sy faladiany volafotsy 16, ka faladia roa avy isaky ny hazo fisaka.


barany dimy koa hihazona ireo hazo fisaka amin’ny lafiny iray hafa; ary barany dimy hafa ho an’ireo hazo fisaka amin’ny lafiny ivoho ao andrefana.


Ny Merarita no miandraikitra ny hazo fisaka amin’ny Tranolay; ny barany, ny andriny mbamin’ny faladiany, ary ny fanaka rehetra momba azy. Nisahana ny fikarakarana rehetra momba ireny ny Merarita.


Izao no asa hampiandraiketina azy: dia ny hitondra ireo hazo fisaky ny Fonena-masina, ny barany, ny andriny, ny faladiany,


Adidintsika izay matanjaka ara-pinoana ny mizaka ny fahosan’ny malemy, fa tsy dia hanao izay mahafaly ny tenantsika fotsiny.


Izy no mahatonga ny tena manontolo hitambatra mafy sy ho voatanan’ny famavàny rehetra hiray; ka rehefa samy miasa araka ny tandrifiny avy ny zavatra anisan’ny tena, dia hitombo ny tena manontolo sady hoentanin’ny fitiavana.


Tsy mifikitra amin’i Kristy Izay loha izy ireo, kanefa i Kristy no mamelona ny tena manontolo sady mampiray azy amin’ny alalan’ny hozatra amam-pamavàny ka mampitombo azy araka ny fitomboana sitrak’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra