ka efa tratra antitra tsara, ary efa ela sy lava andro niainana i Abrahama vao niala aina, ka maty, dia nakambana tamin’ny razany.
Eksodosy 23:26 - Baiboly Katolika Tsy hisy vehivavy afa-jaza, na vehivavy momba eo amin’ny taninao, ary hofenoiko isa ny andronao.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin’ny taninao. Hataoko feno ny isan’ny andronao. DIEM PROTESTANTA Tsy hisy vehivavy ho afa-jaza na ho momba eo amin’ny taninareo, ary hataoko ela velona ianareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy hisy vehivavy ho afa-jaza na ho momba eo amin’ny taninareo, ary hataoko ela velona ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin’ny taninao; hotanterahiko ny isan’ny andronao. Malagasy Bible Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin'ny taninao; hotanterahiko ny isan'ny andronao. La Bible en Malgache Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin’ny taninao. Hataoko feno ny isan’ny andronao. |
ka efa tratra antitra tsara, ary efa ela sy lava andro niainana i Abrahama vao niala aina, ka maty, dia nakambana tamin’ny razany.
Dia niala aina i Isaaka, ka maty, ary nakambana tamin’ny razany; tratra antitra sy lava andro niainana izy. Niara-nandevina azy i Esao sy i Jakôba, zanany.
Nony efa tratra antitra sy feno andro i Davida, dia i Salômôna zanany no natsangana ho mpanjaka tamin’i Israely.
Efa tratra antitra tsara ianao vao hiditra any am-pasana, toy ny amboaram-bary akarina amin’ny fotoany.
Fa izy nanambina azy ireo, ka nitombo betsaka izy, ary tsy navelany hihavitsy ny biby fiompiny.
Ho feno mandrakariva anie ny sompitray, ka ho hipoka vokatra isan-karazany. Ny ondrinay eny an-tanim-bilonay anie hitombo arivoarivo sy alinalina,
Miankìna amin’i Iaveh fa hanohana anao Izy; tsy havelany hangozohozo mandrakariva ny marina.
Mahatratra ny fitopolo taona no andronay, valopolo taona no fara fahabetsahany; nefa hasasarana sy fahoriana foana ny voninahiny, fa mihelina faingana izy, dia lasa manidina izahay!
Tsy hisy intsony ao na ny zaza teraka ho fohy andro iainana, na ny anti-panahy tsy mahatratra ny isan’ny androny; fa mbola maty tanora ihany ny maty amin’ny fahazato taonany, ary efa zato taona ny mpanota vao ho tratry ny ozona.
Omeo azy, Iaveh ô! ...Inona no homenao azy?... Omeo azy ny kibo momba, sy ny nono ritra.
Hotahina ny naloaky ny kibonao, ny vokatry ny taninao, ny ateraky ny biby fiompinao, dia ny teraky ny biby manompo lehibe sy madinika.
Tandremo ny lalàny sy ny didiny, izay andidiako anao anio, mba ho sambatra ianao, dia ianao sy ny zanakao manaraka anao, ary mba ho lava ny andronao, amin’ny taona mifandimby rehetra any amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao.
Hohasoavina mihoatra noho ny firenena rehetra ianao, tsy hisy momba aminao, na lahy na vavy, na amin’ny biby fiompinao.