Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 2:22 - Baiboly Katolika

Tera-dahy i Sefôrà ka nataon’i Môizy hoe Gersama ny anarany, fa hoy izy: «Vahiny atỳ an-tany hafa aho.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia niteraka zazalahy Ravehivavy, ary ny anarany nataon’i Mosesy hoe Gersoma; fa hoy izy: Vahiny atỳ amin’ny tany hafa aho.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Niteraka zazalahy ilay ramatoa ka hoy i Mosesy hoe: –Antsoiko hoe Gersôma ity zaza ity satria efa lasa mpitsoa-ponenana atỳ an-tany hafa aho.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Niteraka zazalahy ilay ramatoa ka hoy i Mosesy hoe: –Antsoiko hoe Gersôma ity zaza ity satria efa lasa mpitsoa-ponenana atỳ an-tany hafa aho.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niteraka zazalahy izy, ary ny anarany nataon-drainy hoe Gersoma; fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin’ny tanin’ny firenena hafa aho.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niteraka zazalahy izy, ary ny anarany nataon-drainy hoe Gersoma; fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin'ny tanin'ny firenena hafa aho.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia niteraka zazalahy Ravehivavy, ary ny anarany nataon’i Mosesy hoe Gersoma; fa hoy izy: Vahiny atỳ amin’ny tany hafa aho.

Jereo ny toko



Eksodosy 2:22
15 Rohy Ifampitohizana  

«Olona hafa firenena sy vahiny eto aminareo aho, ka mba avelao aho hanana tany fandevenana eto aminareo, mba hisy hanalako ny fatin’ny vadiko tsy ho eto anoloako, sy handevenako azy.»


nivezivezy nifindra firenena izy ireo, avy amin’ny fanjakana iray ho amin’ny vahoaka hafa,


Ka izahay dia vahiny sy voanjo ihany eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra; ary ny andronay eto an-tany dia tahaka ny aloka ihany, ka tsy misy azo antenaina.


Vahiny aho eto an-tany: aza afenina ahy ny didinao.


Raha faizinao ny olona, ka manasazy azy amin’ny fahadisoany Ianao, dia mandrava izay maminy indrindra, toy ny kalalao Ianao. Eny, tso-drivotra foana ny olombelona. - Selà


Nony efa lehibe ny zaza dia nentiny tany amin’ny zanaka vavin’i Faraôna, ka nataony toy ny zanany, sy nomeny anarana hoe Môizy, fa «teo amin’ny rano no nanalako azy», hoy izy.


«Aza ratsy fitondra vahiny na mampahory azy, fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta ianao.


Dia nalain’i Môizy ny vady aman-janany, nampitaingenany ampondra, ka niverina ho any an-tany Ejipta izy. Nataon’i Môizy an-tanany ny tehin’Andriamanitra.


Tsy azo amidy varo-maty ny tany, fa Ahy ny tany; ary ianareo hipetraka atỳ amiko toy ny vahiny sy olona mpiavy fotsiny.


Dia nandositra i Môizy nony nahare izany teny izany, ka nivahiny tany amin’ny tany Madiàna, ary niteraka zanaka roa lahy tany.»


Natsangan’ny taranak’i Dana ho azy ireo ilay sarin-javatra voasikotra; ary i Jonatàna, zanak’i Gersama zanak’i Môizy, dia izy sy ny zanany no mpisoron’ny fokon’i Dana mandra-pahatongan’ny andro namaboana ny tany.


Ary i Elkanà nahalala an’i Anà vadiny, ary i Iaveh nahatsiaro azy. Ary nony nitsingerina ny andro, dia efa nanana anaka i Anà ka dia tera-dahy izy, ary nataony hoe Samoela ny anarany, fa nangatahiko tamin’i Iaveh, hoy izy.