Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Eksodosy 16:22 - Baiboly Katolika

Tamin’ny andro fahenina nanangona indroa toraky ny fihinany izy ireo, roa gômôra isan’olona. Nanatona an’i Môizy ny filohan’ny vahoaka rehetra nanambara izany taminy ka nilazany hoe:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nony tamin’ny andro fahenina dia nanangona avo sasaka noho ny isanandro ny olona, dia indroan’ny vata omera isan’olona avy; dia avy ireo lohan’ny fiangonana rehetra ka nanambara izany tamin’i Mosesy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’ny andro fahenina dia sakafo indroa heny no nangonin’ny olona, izany hoe imbalon’ny zingan-drano isan’olona. Dia lasa nanao tatitra tamin’i Mosesy ireo mpitarika ny vahoaka,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’ny andro fahenina dia sakafo indroa heny no nangonin’ny olona, izany hoe imbalon’ny zingan-drano isan’olona. Dia lasa nanao tatitra tamin’i Mosesy ireo mpitarika ny vahoaka,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nony tamin’ny andro fahenina dia nanangona avo sasaka noho ny isan-andro ny olona, dia indroan’ny vata omera ho an’ny isan-olona avy; dia avy ny lohan’ny fiangonana ka nanambara tamin’i Mosesy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony tamin'ny andro fahenina dia nanangona avy sasaka noho ny isan'andro ny olona, dia indroan'ny vata omera ho an'ny isan-olona avy; dia avy ny lohan'ny fiangonana ka nanambara tamin'i Mosesy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nony tamin’ny andro fahenina dia nanangona avo sasaka noho ny isanandro ny olona, dia indroan’ny vata omera isan’olona avy; dia avy ireo lohan’ny fiangonana rehetra ka nanambara izany tamin’i Mosesy.

Jereo ny toko



Eksodosy 16:22
6 Rohy Ifampitohizana  

Ary izao no didin’i Iaveh: Samia ianareo manangona izay sahaza hohaniny avy, eran’ny gômôra, isan’olona, araka ny isan’ny olona; samia maka ho an’izay ao an-dainy avy.»


Isa-maraina izy ireo no nanangona ny mana, samy araka izay fihinany avy; fa rehefa mafana ny andro, dia levona niempo.


Amin’ny andro fahenina, homaniny izay efa nangoniny, ka hisy indroa toraky ny fanangony isan’andro.»


Nantsoin’i Môizy ireo, ka nanatona azy i Aarôna sy ny loholona rehetra amin’ny fiangonana ka niresaka tamin’ireo izy.


fa Jobily izany, ka masina ho anareo. Izay ho vokatry ny taninareo no hohaninareo.


amin’ny taona fahavalo no hamafazanareo, ka hihinana ny tranainy ianareo, ary hatramin’ny taona fahasivy, mandra-pahavokaran’ny taona dia hihinana ny tranainy ianareo.